Hafatry ny Filoha / Taombaovao 2018

“Avelao ihany izy amin’ity taona ity … hasiako zezika; angamba mbola hamoa izy; fa raha tsy misy izany, dia hokapainao ihany” (Lio.13: 8-9) Andriamanitra ô, misaotra! Hoy ny vavakay miloatra Avy anaty lalina any, Fa tsy mbola nety lany Ny indrafonao tsy hay takarina Ka izao dia he santarina Izao taona vaovao Izay ankinina Aminao! Ho taona tena hihavaozana; Fa ianao, JESOA, no asandratra Ho hany fototra hahasambatra! Des.2017 IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi ,Mpitandrina Filohan’ny FJKM