Hafatry ny Filoha/ Okt 2018

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA

Fa efa tena misy olona Manolo-tena marobe Miara-miasa ankehitriny Hitety havoana, lohasaha, Hamakivaky ala be Sy hiampita renirano, Hiaritra ny hainandro, Tsy matahotra oran’andro, Na fanala mahangoly … Eny, tena misy izany ! Ary, isaorana ny Tompo, Fa mitombo hatrany hatrany Ianao koa, ankehitriny, No antsoin’ny Tomponao Mba hanaiky sy hankato Ny baiko izay omeny anao, Raha Fiangonany ianao. Fa anio dia tonga indray Ny teny baiko feno hery: “Efa, he, natolotra Ahy”, Hoy i JESOA, “ny fahefana -ny fahefana rehetrarehetra- Na ny any an-danitra any, Na ny eto an-tany koa. Koa mandehana ianareo Ataovy mpianatro avokoa Ny firenena rehetrarehetra. Mandehana, izaho no momba!

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA!

IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi

Mpitandrina , Filohan'ny FJKM.