Hafatry ny Filoha / Novambra 2018.

VONTOSY FILAZANTSARA NY NOSY MADAGASIKARA

Dia ny Filazantsara Izay tena hery mampijoro Ny fahadiovan-tokantrano. Koa rah’handeha hifidy ianao Mba olo-marin-tokantrano No fidio hitondra anao; Fa tsy olona efa hita, Na re laza ombieniombieny Fa lahy manambady lahy, Na vavy manambady vavy. Fa raha’zany no hitombo Ho lany ringana eto isika! Vontosy Filazantsara Ny Nosy Madagasikara Dia ny Filazantsara Izay tena hery mampijoro Ny fahadiovan-tokantrano. Ka rah’handeha hifidy ianao Mba olo-marin-tokantrano No fidio hitondra anao; Fa tsy olona efa hita, Na re laza ombiembieny Fa mpanitsakitsa-bady, Manampatra ny volabeny, Manampatra ny fahefany, Handehanany hanadala Tanora izay, na vadin’olona. Fa rah’ny olona mpitondra No sanatria mpijangajanga, Ho teny foana ny antso hoe:

VONTOSY FILAZANTSARA NY NOSY MADAGASIKARA.

IRAKO Andriamahazosoa AMMI, Mpitandrina 

Filohan'ny FJKM