Hafatry ny Filoha / Martsa 2018.
Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara!
Ry Fiangonana ĂŽ, meteza, mijoroa sy mahereza! âNdeha efao Ny iraka nomena anao Fa ianao no andrandraina Hitondra aina Hoenti-manantena indray Ho anâizay Donafanâadim-piainana Anaty fitaintainana Efa ho isanâandro vaky Fa reraka mitaky Ny zony mba hiaina Kanefa mahatsiaro fa toa very maina! Ianao, ry Fiangonana, no herim-pisoronana hitondra famonjena ho anâny firenena! Raha toa ianao mijoro Dia hahatorotoro Ny herim-paharatsiana Mitondra fahoriana Sy fahantrana adala âzay mampihoalahoala Vahoaka tsy hita lany Mihohoka aminâny tany Koa mijoroa, ry Fiangonana, tafio ny tena fahavononanaVONTOSY FILAZANTSARA NY NOSY MADAGASIKARA!
IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA AMMI,
Mpitandrina , Filohan'ny FJKM