Hafatry ny Filoha / Jolay 2018.

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

Dia mifampahery isika Satria tsy mora akory ny asa. Ary, na dia taona maro Aza no efa nitoriana, Mbola be dia be no miandry! Fa samy mbola tena mila Hitondrana ny fanasin’ Ito filazantsara Avokoa ny zava-maro, Ka santionany am’izany: Ny tontolo politika Ifandroritan’olo-ngeza Samy maika hiady seza, Ka ny hanasoa vahoaka, Kabary izany ka kabary, An-tendro-molotra d’izay, Tsisy latsaka ao am-po! Ny tontolon-toe-karena Ifanjevoan’ny tombontsoa Amin’ireo izay mpanam-bola Teratany sy vahiny, Ka ny vola no andriamanitra Ivavahana, tompoina. Ny tontolom-pitsarana, Ny fanabeazana, ny asa, Ny fitsaboana, sy ny sisa. Samy miandry antsika ireny Ka herezo, ry sakaiza: VONTOSY FILAZANTSARA NY  NOSY MADAGASIKARA! IRAKO AMMI VONTOSY FILAZANTSARA NY NOSY MADAGASIKARA ! Dia mifampahery isika Satria tsy mora akory ny asa. Ary, na dia taona maro Aza no efa nitoriana, Mbola be dia be no miandry! Fa samy mbola tena mila Hitondrana ny fanasin’ Ito filazantsara Avokoa ny zava-maro, Ka santionany am’izany: Ny tontolo politika Ifandroritan’olo-ngeza Samy maika hiady seza, Ka ny hanasoa vahoaka, Kabary izany ka kabary, An-tendro-molotra d’izay, Tsisy latsaka ao am-po! Ny tontolon-toe-karena Ifanjevoan’ny tombontsoa Amin’ireo izay mpanam-bola Teratany sy vahiny, Ka ny vola no andriamanitra Ivavahana, tompoina. Ny tontolom-pitsarana, Ny fanabeazana, ny asa, Ny fitsaboana, sy ny sisa. Samy miandry antsika ireny Ka herezo, ry sakaiza: VONTOSY FILAZANTSARA NY  NOSY MADAGASIKARA!

IRAKO Andriamahazosoa Ammi , Mpitandrina 

Filohan'ny FJKM