Hafatry ny Filoha / Jolay 2018.

Vontosy Filazantsara
Ny Nosy Madagasikara !
Fa tena tonga  ny fotoana Azontsika hararaotina Hanoratana takila Vaovao, mamirapiratra, Amin’ny bokin’ny Tantaran’ Ny tanindrazantsika ity. Fa ny Filazantsara, Izay mitory fahamarinana, Fitiavan-tanindraza-marina, No hasandratsika avo. Fa ny Filazantsara Dia nanova ny Tantara Teto Madagasikara Ka nitondra hazavana. Fa ny Filazantsara Dia nanova olo-maro Hanjary olo-mahatoky, Izay fanoitram-pandrosoana. Ary ankehitriny koa, Tsy mbola miova velively Izany heriny mpanova Mba hisian’ny olo-marina Tsy hamitaka vahoaka Amin-teny tsara lahatra. Mivavaha mba hisy izany! Miasà mba hisy izany! Ny hisian’izany indrindra No anentanana eto indray:

   VONTOSY FILAZANTSARA

  NY NOSY MADAGASIKARA !

           IRAKO Andriamahazosoa Ammi, Mpitandrina

              Filohan'ny FJKM