Hafatry ny Filoha /Jiona 2019.

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

Fa ‘ty Nosintsika ity,

Nosy tena mahagaga,

itobahan’ny harena,

ambonin’ny tany,

an-kibon-tany,

ary koa an-dranomasina;

nefa, he, fa mahonena

ny fahantran’ny mponina eto,

Fa nahoana ?

Fa nahoana ?

Satria izaho sy ianao mihitsy,

Ry Vahoaka Malagasy,

No andrasan’ny Mpahary

Hitodika Aminy,

Hivavaka,

Mba tsy ho teny foana intsony

Itony hiram-pirenena

Hoe Izy Ilay Nahary

Izao tontolo izao ange

No tena fototra ijoroan’

Ny satantsika Malagasy!

Hira izany, nohiraina,

Nefa hatraiza no anekena

Tena hivelona an’izany ?

Koa ianao izay mahalala

No irahina eto anio :

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

IRAKO AMMI