Hafatry ny Filoha III / Jolay 2017 .

VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA
K’aza dia variana foana Mihainohaino ny an’ny hafa, na minia tsy hahalala ‘zao antso avo atao izao, fa sahia manapa-kevitra am’zay handray anjara.  

Andao fa ny olona efa lasa

Nirotsaka nitety trano,

namakivaky lohasaha,

eny, nihanika ny havoana,

niampita rano be voay

mba hitory sy hanambara

ito Filazantsara !

  Andao fa ny olona efa lasa, ka miasa isam-bolana. Ny fiangonana, ireo sampana, Samy mihetsika, mandeha! Ka ny akaiky, manodidina, voatsiditsidika mazàna, ny alavitra, tsy hadino f’efa anaty tetikasa sy tetibola maty paika.  

Izany izao no ataon’ny olona:

tsy eritreritra sy hevitra,

f’efa tena asa atao.

Ianao koa, mba mitsangàna:

 

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

 

Irako Andriamahazosoa Ammi , Mpitandrina

Filohan'ny FJKM