Hafatry ny Filoha / Aogositra 2017 .

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

  Aza resin’ny hakiviana Noho ny fitomboan’ny ratsy Sy fihanaky ny loza ! Aza alaim-panahy hiala An-daharana raha toa Toa mahery ny haratsiana. Aza mety ho vaky sambo Raha sendra misafotofoto Ny tafiotran’ny tsy tia Izay manenjika, mifofo. Avilio ny masonao Tsy hibanjina an’ireny Ka ny Tompo no jereo. I JesoaTompo dia mahery F’efa niaritra tokoa Ka nigoka hatramin’ny farany Ny kapoakany mafaitra; Nefa fantatrao mazava ny fandreseny tsy hay tohaina ny maraina koan’ny Paska, fa nitsangana nyTompo! Anoloan’ny fandreseny Dia tsy misy fahavalo Mety haharesy antsika! Anoloan’ny fandreseny : Tonga bitika avokoa ny fahavalo rehetra rehetra! Koa mandehana, matokia! I Jesoa Tompo no jereo:  

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !