Hafatry ny Filoha / Antso avo fahefatra

ANTSO AVO FAHEFATRA

Manao antso avo  izahay mba hanova  fomba fisaina  sy fomba fiasa isika ka mba hijoro  ho vavolombelon’ny fahamarinana any  amin’ny sehatra rehetra  misy azy ny kristiana FJKM rehetra . Dia mba ho  izao  no zava-misy  manomboka izao  eo  amin’izay  misy kristiana FJKM  dia misy  fahamarinana. Eo  amin’izay  misy kristiana  FJKM , tsy  misy kolikoly . Na  ato  anatin’ny fiangonana  izany  na any  ivelan’ny  fiangonana .

« Ry Andriamanitra velona ô , havaozy  sy ovay izahay ! »

Ry Havana Malala,

Araka ny ambaran’ny Fitsipiky ny FJKM, and.265.8 dia “Raiamandreny” ny Filohan’ny FJKM. Koa antso avon’ny Raiamandreny ihany no ataonay. Tsy fanapahan-kevitra anaovana teny midina, fa antso avon’ny Raiamandreny mahatsiaro fa mbola hampamoahina “eo anatrehan’Andriamanitra sy I Kristy Jesoa, Izay hitsara ny velona sy ny maty” (2 Tim.4.1)”.

(Jereo ao amin’ny bokikely. Ny vinantsika FJKM : Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara? Izay natomboka naely tany Antsiranana, ny manontolon’ity Hafatra ity raha mahaliana anao.)