Hafatry ny Filoha / Antso avo fahadimy.

ANTSO AVO FAHADIMY

5-Manao antso avo izahay hanova fomba fisaina sy fomba fiasa isika ka eo amin’izay anaovana lanonam-piangonana, atao amin’ny anaran’ny FJKM, toy ny fiaraha-misakafo amin’ny fotoana anaovana Fankalazana na Jobily na fitadiavam-bola ho an’ny asan’Andriamanitra tanterahin’ny fiangonana FJKM na zanaka am-pielezan’ny fiangonana FJKM: mba tsy hisy zava-pisotro misy alkola, eny, na divay aza!

“Ry Andriamanitra velona ô, havaozy sy ovay izahay!”.

Ry Havana Malala, araka ny ambaran’ny Fitsipiky ny FJKM, and.265.8, moa dia “Raiamandreny” ny Filohan’ny FJKM. Koa antso avon’ny Raiamandreny ihany no ataonay. Tsy fanapahan-kevitra anaovana teny midina, fa antso avon’ny Raiamandreny mahatsiaro fa mbola hampamoahina “eo anatrehan’Andriamanitra sy I Kristy Jesoa, Izay hitsara ny velona sy ny maty” (2 Tim.4.1)”.

(Jereo ao amin’ny bokikely. Ny vinantsika FJKM : Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara? Izay natomboka naely tany Antsiranana, ny manontolon’ity Hafatra ity raha mahaliana anao.)

IRAKO Andriamahazosoa Ammi, Mpitandrina

Filohan'ny FJKM