Fehin-kevitra/ Synodampinoana 2018.

  SYNODAMPINOANA VOALOHANY (15-18 May 2018) FJKM ANDRAINARIVO FAHASOAVANA

Araka ny Fanambaram-pinoana nataon’ny Synoda Lehibe faha 17 tany Manakara (Aogositra 2012), dia « tsy afaka miaraka ny maha Kristiana sy ny Framasaonery ; tsy afaka miaraka ny maha Kristiana sy ny Homosexualité ». (araka ny FD and-22 andalana 1).

 1-MOMBA NY FRAMASAONERY

1.1- Fanazavana ara-potopinoana

Ny Fivavahana Kristiana dia maneho ny fahatsarana indrindra : ° mampivelatra ny maha-olona ao amin’i Jesoa Kristy ny finoana kristiana. °miorina sy miaina ary mifikitra amin’ny Tenin’Andriamanitra izay milaza ny finoana mahavonjy ao amin’i Jesoa Kristy irery ihany

– Hamafisina ny fampianarana ny Soratra Masina sy ny maha protestanta reforme ka ialana ny marimaritra iraisana izay manohitra na manalavitra ny Soratra Masina.

– Fanamafisana ny fampianaram-pinoana hiatrehana ny Framasaonery : batisa , Fanasan’ny Tompo, Firahalahiana kristiana, Fanekena, Asa sosialy, fahaizana manome voninahitra an’Andriamanitra, fihariankarena, fahaiza-miaina, fitondrantena, fitiavana, famatsiam-bola, fanolorana na fahafoizana, fandraisana andraikitra, fanomezam-pahasoavana

– fivavahana hafa noho ny Kristianisma ny Framasaonery : ° mivavaka amin’i Losifera ataony hoe Grand Architecte de l’Univers ° mandà ny Trinité, ary hita fa te hihoatra an’Andriamanitra mihitsy ° tsy mino ny famonjen’i Kristy sy ny maha Tompo Azy ° manao Fanekena mifanohitra amin’ny Soratra Masina ° manana litorjia sy fomba, manana trano fiangonana, manana mpitondra fivavahana ° manao ny olona ho ivon’ny fivavahany (fivoizana ny fahasambaran’ny olona mpanaraka azy, ny fahafinaretany, …). ° firahalahiana tsy ao amin’i Jesoa Kristy no misy any amin’ny Framasao 1.2-Fanapahankevitra  

Ampidirina ao anatin’ny katekisma sy ny fampianarampinoana ataon’ny FJKM ny momba ny fiatrehana ny Framasao

– omena tari-dàlana ny Mpitandrina sy ny tomponandraikitra amin’ny fanaovana fandresen-dahatra sy dinika atao amin’ny olona framasao

– Faritana ny momba ny maritrano fiangonana (polipitra, alitara) sy Sekoly, ny akanjom-panompoana sy ny zioga (tapaky ny Synoda Lehibe Arivonimamo 1980), ny hira sy mozika, ny rafitra sy litorjia, ny fomban’ny Fiangonana, ny fihetsika mandritra ny fanaovana fanompoampivavahana

– fandraisana an-tànana pastoraly ny Framasao : fitaizana, fialana nenina, fampiatoana tsy ho Mpandray

– fampiatoana amin’ny andraikitra mandritra ny fotoana handraisana an-tànana pastoraly azy ireo, ka hiverenany amin’ny làlan’ny fibebahana

-fanasongadinana any amin’ny Fanekena atao ny fandavana ny fanompoan-tsampy rehetra

– fampiasana ny Baiboly misy Jehovah sy Jesosy (na Jesoa) amin’ny famakianteny amin’ny fanompoam-pivavahana, fa ny hafa dia ho amin’ny fikarohana ihany no ampiasaina azy

– famoahana didin’akanjom-panompoana ho an’ny laika ny FJKM, ary arahina izany.

2-MOMBA NY HOMOSEXUALITE

2.1-Fanazavana ara-poto-pinoana

Manohintohina ny maha Mpahary an’Andriamanitra ny homosexualité, fikomiana sy fihantsiana ary fifaninanana Aminy.

– Tsy nahary olona ho Homosexuel mihitsy Andriamanitra

– fahotana, vokatry ny fahalavoana, eo anatrehan’Andriamanitra ary tsy handovana ny fanjakan’Andriamanitra ny Homosexualité

– Misokatra ho an’ny olona rehetra ny Fiangonana, ary ho an’ny olona rehetra koa ny famonjena.

– manohitra ny lamina efa nataon’Andriamanitra ny homosexualité: ° lahy iray sy vavy iray no mivady, ° fitohizan’ny taranaka ny fanambadiana ° fahafenoan’ny “endrik’Andriamanitra” ny fiarahan’ny lahy sy vavy ao amin’ny fanambadiana ° fanohizana ny fahariana izany – mampianatra marina ireo Soratra Masina izay niniana nodisoin’ny Homosexuel – manamafy ny fampianarana momba ny antropolojia biblika ao amin’ny Fiangonana, katekomena, Sampana

– manatevina ny fiofanana momba ny fanambadiana, ka mampianatra zavatra hafa ankoatran’ny Fanekena sy fandaminana ny fanompoam-pivavahana

– mitaiza ny ankizy sy ny tanora, araka ny maha lahy sy maha vavy azy voajanahary – mampiorina ny fitaizana ao anaty « tsimisaramianakavy » sy Fiangonana ankohonana, no atao, ho fiombonana aina ho an’ny rehetra

– mampirisika ny zanaky ny Fiangonana manana andraikitra eo amin’ny firenena, tsy hanao volavolan-dalàna ary tsy handany izay lalàna manome vahana ny Homosexualité

– mitory sy mampianatra ny Zon’olombelona araka ny Soratra Masina ny Fiangonana

– miaina fitiavana tsy misy fanilihana na fitsaratsarana ny Fiangonana

– mahay mandray ireo fampianarana eto an-toerana sy avy any ivelany amin’ny maso kristiana : fitafy, fitaizana

2.2-Fanapahankevitra

Fanamafisana ny fampianaram-pinoana amin’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Fiangonana sy ny Sampana, ny momba ny maha lahy sy maha vavy – tsy mitsodrano ny fanambadian’ny Homosexuels ny Fiangonana, izay tsy nahazo tsodrano avy tamin’Andriamanitra

– fandraisana an-tanana pastoraly ny Homosexuel : fitaizana, fialana nenina, fampiatoana tsy ho Mpandray

– fampiatoana amin’ny andraikitra mandritra ny fotoana handraisana an-tanana pastoraly azy ireo, ka hiverenany amin’ny lalan’ny fibebahana

– fananganana sehatra fitaizana ho an’ireo efa tafiditra amin’ny Homosexualité, ho fanampiana azy ireo hiala amin’izany

– fanomezana tantsoroka ho an’ireo manana fahasamponana ara-boajanahary, mba tsy hihevitra ho voailika izy ireo.

Andrainarivo, faha 18 May 2018

Ny Filohan’ny FJKM,

IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina