Inona no andrasana minao raha toa ka mahatsiaro fa manana ny Fanahy Masina ianao?

Mofonaina anio: Zoma, faha 08 Jolay 2022
ASAN'NY APOSTOLY 5.12-16
12 [Ny fahagagana nataon'ny Apostoly sy ny nandrosoan'ny fiangonana] Ary ny tanan'ny Apostoly no nanaovana famantarana sy fahagagana maro teo amin'ny vahoaka; ary izy rehetra niray saina teo amin'ny Fialofan'i Solomona; 13 ary tsy nisy tamin'ny olona sisa rehetra sahy niray taminy; nefa nankalaza azy ny vahoaka. 14 Ary vao mainka nisy olona maro koa na lahy na vavy izay nino ny Tompo nanampy ho isany; 15 ka dia nentiny teny an-dalambe aza ny marary ka napetrany teny ambony farafara sy fandriana, mba hisy ho azon'ny tandindon'i Petera ahay, raha mandalo izy. 16 Ary ny olona maro avy tamin'ny vohitra manodidina an'i Jerosalema dia nivory koa, nitondra ny marary sy izay nampahorin'ny fanahy maloto; dia sitrana avokoa izy rehetra.

Ny Asan’ny Apostoly no iantsoana ity boky ity fa raha ny vontoatiny dia asan’ny Fanahy Masina no tena mahatsara azy , satria ny Apostoly dia fitaovana tamin’ny zavatra rehetra fa ny Fanahy Masina no miasa. Ampitain’i Lioka mpanoratra ny boky amintsika àry eto fa ny olona feno ny Fanahy Masina dia :

1-Mikely aina hampandroso ny Fiangonana

« Ary ny tànan’ny Apostoly no nanaovana famantarana ny fahagagana maro teo amin’ny vahoaka ary vao mainka nisy olona maro koa na lahy na vavy izay nino ny Tompo nanampy ho isany «  (and 12,14) . Nampiasain’ny Tompo tokoa ny Apostoly handresy lahatra olona maro , na tamin’ny alalan’ny toriteny na tamin’ny alalan’ny famantarana ,fandroahana demonia ,fananganana ny maty …) fa tamin’ireny rehetra ireny dia tsy nisy nitady laza na voninahitra akory izy ireo fa nikendry ny hampandroso ny Fiangonan’Andriamanitra .Ianao koa ,raha feno ny Fanahy ianao , dia mikeleza aina hampandroso ny fiangonana fa aza variana amin’ny zavatra hafa .

2- Mandray an-tànana ny mila vonjy

« Ary ny olona maro avy tamin’ny vohitra manodidina an’i Jerosalema dia nivory koa. sitrana avokoa izy rehetra .Azontsika takarina eto fa tsy nikely soroka tokoa ny Apostoly nanao izay azony natao tamin’ny famaiana ny antson’ny mila vonjy.Voalaza eto fa « sitrana avokoa izy rehetra » , izany hoe: na dia tsy izy ireo aza no mpanasitrana dia izay rehetra tonga nanatona azy ireo kosa dia tsy mba niala maina .Ianao koa, raha mbola misya azon’ny tànanao atao dia meteza ho vahaolana ho an’ny mila vonjy fa fitoriana ny Filazantsara vita ho azy rahateo izany .

Fanontaniana:

Inona no andrasana minao raha toa ka mahatsiaro fa manana ny Fanahy Masina ianao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM