Toromarika ho an’ny Fiainana Kristiana Araka ny 1 Korintiana 16:13-18

Mofonaina anio: Alarobia, faha 06 Jolay 2022
1 KORINTIANA 16.13-18
13 Miambena* ianareo, tomoera tsara amin'ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza. [* Gr. miareta tory] 14 Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin'ny fitiavana. 15 Fantatrareo ny ankohonan'i Stefanasy, fa voaloham-bokatr'i Akaia izy sady efa nanolo-tena ho amin'ny fanompoana ny olona masina; dia mangataka aminareo aho, ry rahalahy, 16 mba hanaiky tsara ny olona tahaka ireny sy izay rehetra miara-miasa sy mikely aina koa ianareo. 17 Faly aho noho ny fihavian'i Stefanasy sy Fortonato ary Akaiko; fa ireo no nahefa ny tsy vitanareo; 18 fa namelombelona ny fanahiko sy ny anareo koa izy; ka mba ekeo ny tahaka ireny.

Tafiditra ao anatin’ny famaranan-teny ataon’i Paoly ao amin’ity Epistiliny ho an’ny Korintiana ity mofonaina ity ka hanamafisiny amin’ny :

1-Mba tsy ho varimbariana (and13)

« Miambena ianareo ,tomoera tsara amin’ny finoana , aoka hitomban-dahy ,mahereza« .Ny hevitry ny hoe : « miambena » dia hoe: «  »miareta tory » Izany hoe : ho « malina » , ho « vonona amin’ny fotoana » rehetra ka tsy ho tampoka aminy ny zavatra mety hitranga na inona na inona ,satria velona ny finoany , matanjaka ny finoany ka afa-miatrika ny zavatra rehetra .Ianao koa , aoka hafana tsara ny fiainam-bavaka ary hivelomana ny Tenin’Andriamanitra dia tsy hisy ho tampoka aminao .

2-Hiasa amin’ny fitiavana (and14)

« Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin’ny fitiavana« . Ampitain’i Paoly izany eto mba hahatsiarovan’ny Korintiana fa zava-poana avokoa ny zavatra rehetra raha tsy tam-pitiavana no nanaovana azy .Fanamafisan’ny apostoly izay efa nolazainy ao amin’ny 1 Kor 13 hoe: : »na dia miteny amin’ny fitrenin’ny olona sy ny anjely aza aho , kanefa tsy manana fitiavana dia tonga varahina maneno ny kipantsona mikarantsana aho » .Ianao koa, mianara amin’i Jesoa .Ataovy amin’ny fitiavana ny zavatra rehetra na inona izany na inona.

3-Hankato izay mikely aina (and15-18)

« Mangataka aminareo aho ry rahalahy mba hanaiky tsara ny olona tahaka ireny … » hoy i Paoly eto. Ny kristiana dia manana adidy araka izany hankato ny mpanompon’Andriamanitra misahirana aminy fa tsy hanohitra na hanangana azy ireny ho fahavalo sanatria .

Fanontaniana :

Ahoana ny fandrefesanao ny tenanao raha tarafina amin’ireo voalaza ireo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Erreur de la base de données WordPress : [Error writing file '/tmp/MYwnXtuI' (Errcode: 28 - No space left on device)]
SELECT SQL_CALC_FOUND_ROWS wp_posts.ID FROM wp_posts INNER JOIN wp_postmeta ON ( wp_posts.ID = wp_postmeta.post_id ) INNER JOIN wp_postmeta AS mt1 ON ( wp_posts.ID = mt1.post_id ) WHERE 1=1 AND wp_posts.ID NOT IN (44185) AND ( wp_postmeta.meta_key = 'date_du_lecture_journaliere' AND ( ( mt1.meta_key = 'date_du_lecture_journaliere' AND CAST(mt1.meta_value AS DATE) < '20220706' ) ) ) AND ((wp_posts.post_type = 'mofonaina' AND (wp_posts.post_status = 'publish' OR wp_posts.post_status = 'acf-disabled'))) GROUP BY wp_posts.ID ORDER BY wp_postmeta.meta_value DESC LIMIT 0, 3

Tsy misy mofonaina hafa hita.