Andriamanitra maniraka ny olona
Mofonaina anio: Alahady, faha 31 Jolay 2022
EKSODOSY 4.10-17
EKSODOSY 4.10-17
10 Ary hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Tompo ô, mifona aminao aho, olona tsy mahay mandaha-teny aho, na hatrany aloha, na hatramin'izao itenenanao amin'ny mpanomponao izao aza; fa votsa vava sy miadam-piteny aho. 11 Ary hoy Jehovah taminy; Iza moa no nanao ny vavan'ny olona? ary iza no mampahamoana, na mampaharenina, na mampahiratra, na mampahajamba? tsy Izaho Jehovah va 12 Koa ankehitriny, dia mandehana, fa Izaho no homba ny vavanao ka hanoro anao izay holazainao. 13 Fa hoy izy: Tompo ô! mifona aminao aho, iraho izay tianao hirahina. 14 Dia nirehitra tamin'i Mosesy ny fahatezeran'i Jehovah, ka hoy Izy: Tsy ao ihany va Arona Levita rahalahinao? fantatro fa mahay mandaha-teny izy. Ary indro koa, avy hitsena anao izy; koa rehefa mahita anao izy, dia ho faly ny fony. 15 Dia hiteny aminy ianao ka hanolo-teny azy; ary Izaho homba ny vavanao sy ny vavany ka hanoro anareo izay hataonareo. 16 Ary izy hiteny amin'ny olona hisolo anao; ka dia izy no ho solovavanao, ary ianao kosa ho solon'Andriamanitra aminy. 17 Dia ho entinao eny an-tananao io tehina io, izay hanaovanao ireo famantarana ireo.Andriamanitra maniraka ny olona
1-Miaraka aminy
« Koa ankehitriny dia mandehana fa Izaho no homba ny vavanao ka hanoro anao izay holazainao » (and12)
Rehefa niantso an’i Mosesy ho any amin’iFarao sy hitondra ny Zanak’Israely hivoaka ny tany Egypta Andriamanitra dia nandà izy satria bada lela.Nandresy lahatra an’i Mosesy Andriamanitra sady nanome toky azy fa homba ny vavany ka hanoro azy izay holazainy .Andriamanitra momba ny olom-boafidiny .Tsy mamela ny olom-boafidiny hiady irery Andriamanitra mba hahatanteraka ny fikasany .Toy izany ihany koa no nataon’iJesoa Kristy raha naniraka ny mpianatra hitory ny Filazantsara , dia nanome toky fa homba azy ireo mandrakariva .Jesoa Kristy ka tsy misaraka amin’ny olom-boafidiny manao ny asany fa aza manahy .
2-Manolotra vahaolana ho azy
« Tsy ao ihany va Arona Levita rahalahinao ? fantatro fa mahay mandahan-teny izy … »(and14)
Rehefa nitaraina ho bada lela iMosesy dia nanome vahaolana ho azy Andriamanitra , ka i Arona no natolony hiteny amin’ny anaran’i Jehovah sy Mosesy .Vahaolana mifanitsy amin’ny olana amin’ny asa fanompoana nifidianana an’i Mosesy no nomen’Andriamanitra azy . Toy izany koa amin’ny asan’Andriamanitra izay nifidianany anao , mety hisedra olana ianao ao anatin’izany , kanefa misy vahaolana mifanitsy amin’izany efa nomanin’Andriamanitra ho anao . Aza manahy , aza matahotra , matokia an’i Jesoa Kristy amin’ny olana mitranga eo amin’ny fanompoana ataonao .
Fanontaniana:
Inona no atanao rehefa tojo olana amin’ny fanompoana ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM