Ny mpanompo mahatoky

Mofonaina anio: Zoma, faha 29 Jolay 2022
1 Timoty 3,1 - 7
1 [Ny amin'ny olona miendrika hatao mpitandrina sy diakona] Mahatoky izao teny izao: Raha misy olona maniry ny asan'ny mpitandrina, dia maniry asa tsara izy. 2 Koa ny mpitandrina* dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, manam-bady tokana, mahonon-tena, hendry, tia filaminana, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra, [* Gr. episkopo] 3 tsy mpimamo lian'ady, tsy mpikapoka, fa mandefitra, tsy mpila ady, tsy mpitia vola, 4 manapaka tsara ny ankohonany, mampanaiky ny zanany amin'ny fahamaotinana tsara 5 (fa raha misy olona tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana no fitandrina ny fiangonan*'Andriamanitra?), [* Gr. eklesia] 6 tsy izay zazavao amin'ny fivavahana, fandrao hieboebo foana izy ka ho latsaka amin'ny fahamelohan'ny devoly. 7 Ary tsy maintsy ho tsara laza koa amin'izay eny ivelany izy, fandrao ho lavo amin'ny fananan-tsiny sy ny fandriky ny devoly.

Ny mpanompo mahatoky

1-Marina amin’ny fitondrantenany

« Koa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy mana-tsiny ,manambady tokana ,mahonontena,hendry... »(and2).Tamin’ny andro nanoratan’i Paoly Apostoly tamin’i Timoty dia niely ny fampianarana fa tsy olana ny fampirafesana , ny famerenana ny mariazy aorian’ny fisaram-panambadiana , ny fanambadiana fanindroany aorian’ny fahafatesan’ny vady . Ho fanintsiana izany fomba sy toetra izany dia nampahatsiahivina teto fa olona marina amin’ny fitondrantenany no tokony ho mpitarika sy tomponandraikitra eo amin’ny fiangonana , eny ho an’ny mpino kristiana rehetra mihitsy aza izany . Ho fanarenana ny fifandraisana ao amin’ny ankohonana no anton’izany , fa izany no sitrapon’Andriamanitra ao amin’i Kristy .

2-Marina amin’ny fifandraisana amin’ny hafa

« Ary tsy maintsy ho tsara laza koa amin’izay eny ivelany izy , fandrao ho lavo amin’ny fananan-tsiny … » (and7)

Ny mpitondra fivavahana dia tokony ho olona « tsara laza« sy modely eo amin’ny fiaraha-monina misy azy , indrindra ny tsy mpino mba hahafahana mitaona azy ireo ho ao amin’ny finoana an’i Kristy . Arofanina eo amin’ny fanompoana ny fitiavam-bavaka fa làlana misokatra ho amin’ny fahalavoana ny fitiavan-tena .Noho izany , tsy maintsy manana fomba fijery mitodika amin’ny tombotsoan’ny fiaraha-monina ny mpino kristiana .Mitodika hatrany amin’ny fitaomana ny hafa ho ao amin’i Kristy ny fisainan’ny mpitondra fivavahana , ary izany no mahatonga azy tsy maintsy ho « tsara laza ».

Fanontaniana :

Inona no toetranao ka misakana ny fitoriana ny Filazantsara ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Erreur de la base de données WordPress : [Error writing file '/tmp/MYIgbXDL' (Errcode: 28 - No space left on device)]
SELECT SQL_CALC_FOUND_ROWS wp_posts.ID FROM wp_posts INNER JOIN wp_postmeta ON ( wp_posts.ID = wp_postmeta.post_id ) INNER JOIN wp_postmeta AS mt1 ON ( wp_posts.ID = mt1.post_id ) WHERE 1=1 AND wp_posts.ID NOT IN (44207) AND ( wp_postmeta.meta_key = 'date_du_lecture_journaliere' AND ( ( mt1.meta_key = 'date_du_lecture_journaliere' AND CAST(mt1.meta_value AS DATE) < '20220729' ) ) ) AND ((wp_posts.post_type = 'mofonaina' AND (wp_posts.post_status = 'publish' OR wp_posts.post_status = 'acf-disabled'))) GROUP BY wp_posts.ID ORDER BY wp_postmeta.meta_value DESC LIMIT 0, 3

Tsy misy mofonaina hafa hita.