Hafatra KRISMASY 2019

Fiarahabana sy firariantsoa Ny Filohan’ny FJKM, Filoha am-perinasan’ny FFPM sady Filohan’ny FFKM amin’ity taona 2019 ity,  mamangy ny vahoaka Malagasy manontolo, ary ny vahoaka Kristianina manokana, amin’izao Krismasy 2019 izao, ary manolotra ny teny avy amin’ny Tompo JESOA ho antsika…

Hafatry ny Filoha / Des 2019

VONTOSY FILAZANTSARA NY NOSY MADAGASIKARA ! Ny dikany? – Vontosy vavaka! Mivavaha mba ho anao Hahafahanao miaina Ny finoana tena izy, dia finoana latsa-paka fa tsy ivelambelany ihany. Dia mivavaha mba ho anao Hahatonga anao ho sahy Hizara koa ho an’ny…

Hafatry ny MF07/SLXVIII

Fivorian'ny Mpiandraikitra Foibe CFD Ampandrana 16-23 Oktobra 2019

Hafatry ny Filoha / Okt 2019.

VONTOSY FILAZANTSARA NY NOSY MADAGASIKARA! Ny Fanahy anie hiasa Hahatonga antsika hahery Hahalala izay adidy Manandrify antsika avy Ka hahefa izany tsara, tsy  hitavandra olon-kafa, tsy hanilka amin’ny hafa, fa ho sahy mandray andraikitra. Ny Fanahin’ny fahendrena Anie hampanadino antsika…

Hafatry ny Filoha/ Sept 2019.

VONTOSY FILAZANTSARA NY NOSY MADAGASIKARA! Ka isika mihitsy aloha No andeha hiova fo, Tsy hatokitoky foana Amin’ny asa manoloana Ka hiantehitra am’izany Fa handini-tena hatrany amin’ny asa fanompoana; tena ao ve ny finoana sa sanatria fisehosehoana no tena antom-pijoroana? Tena…

Hafatry ny Filoha / Aog 2019.

VONTOSY FILAZANTSARA NY NOSY MADAGASIKARA ! Ka na misy mafy aza, Iza anefa no nilaza Fa handeha an-kamorana Ny ady amin’ny fahotana? Moa tsy efa nolazaina Fa hifamatra amin’ny aina Ny tolona iantsoana antsika Fa tsy ady mangatsiaka? I Satana mantsy…

Alahady 11 Aogositra 2019.

Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA 1 Korintiana 2.1-16 Betsaka ny mpitory teny mbola alaim-panahy hametraka ny toriteniny amin'ny alalan'ny teny mahataona sy fahendren' olombelona (and4a) Torio amin'ny fanehoana ny Fanahy sy ny hery ny filazana an'i Kristy .I Kristy voahombo…

Hafatry ny Filoha / Aog. 2019

VONTOSY FILAZANTSARA NY NOSY MADAGASIKARA ! Aza kivy velively N’ino-n’inona midona. Fa tena mety hahakivy Ny hasarotry ny asa, Na ireo fakam-panahy Eny an-dalana ombana. Eny, mety hahakivy Ny fahitana indraindray Fa ny ezaka natao Toa tsy nahitana voa Araka ny…

Hafatry ny Filoha /Jolay 2019.

VONTOSY FILAZANTSARA NY NOSY MADAGASIKARA ! Fa na dia tena marina aza Fa efa be ny asa vita, Izay tena isaorana ny Tompo Sy antsika rehetrarehetra Nifarimbona, niasa Tamim-pikelezana aina, Tena mendri-piderana, Fa tsy nahalala sasatra, Fa namadika ny bainga, Hisy…