Hafatry ny Filoha / Nov 2018

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

Fa ny filazantsara No hany lalam-pamonjena Hahasoa ny firenena. Fa raha toa i Jesoa no hadino Sy tadiavina hosoloana Fikambanana tsy hay, Mety hirantsana eran-tany Sy malaza ho mahery, Ary fantatra ho kalaza Amin’ny herim-pahalalany; Ho very isika mianakavy .   Fa raha toa I Jesoa no hadino Sy tadiavina hosoloana Fivavahan-kafa indray, Na toa inona harena Sy vola be izay mety homeny Sy hatobany amintsika: Ho very isika mianakavy.   Raha I Jesoa, hoy aho, no hadino Ka soloana zavatra hafa Mody ambara ho volintsaina Nefa fanompoana sampy, Izay handrebireby antsika: Ho very isika mianakavy. Koa ianao Kristianina, Tena tia ny firenena, Mijoroa ianao, sahia Hanatratra izato vina: VONTOSY FILAZANTSARA NY NOSY MADAGASIKARA  

IRAKO Andriamahazosoa AMMI, Mpitandrina 

Filohan'ny FJKM