Hafatry ny Filoha / Sept 2018.


VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

Fa raha ny zava-misy mantsy, Misy olona famantsy, Fetsy ratsy lozan-tany Any ananonanona any, Ary maro ireny, indrisy, Eny, maro fa tsy vitsy: Mirangorango fahefana, Hahafahana mitana Toerana avo ireharehana Sy hanaovana hadalana, Hanangonana harena Amin’ny fomba mahonena, Ambotriana firenena. Ka tsy misy izay jerena, Na fihavanana, na rariny, Fa ny vola sy ny tariny No hany zava-misy lanjany. Ary dia ahanjahanjany Sy tsy mahamenatra azy, Tsy atahorany izay sazy, Ny fanaovana an’izany. Dia ny vokany, jereo: Ny firenena, mitoreo! Ka raha tiana ny ho afaka Tena hiala avy ao an-davaka: Mila olona mivavaka!

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA!

IRAKO Andriamahazosoa  AMMI , Mpitandrina 

Filohan'ny FJKM