Hafatry ny Filoha / Aogositra 2018.

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

Sa ianao tsy tena mino Fa raha olom-baovao Tena manana ny Tompo, Dia i JESOA KRISTY, No mitondra firenena, Dia hiova ny Tantara ? Vakio indray ny Baiboly, Fa raha hendry ny mpitondra, Tena mino sy mivavaka : Miadana ny firenena ! Koa andao isika hilofo Hamafy ihany, Hamafy hatrany Ny voan’ny Filazantsara. Fa na dia tany karakaina Toa tsy misy hantenaina Aza re ny fon’ny sasany, Ka ny teny notorina Toa very foana, tsisy asany, Tsy maninona fa andao Hotohizantsika ihany Ny asa tsara izay natao. Fa nahoana moa ny ratsy No mikiry,tsy mba kivy, Ka isika kosa indray No hilavo lefona am’izao? Mitsangàna ianao, ry mino :

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

 

IRAKO Andriamahazosoa AMMI , mpitandrina 

Filohan'ny FJKM