Hafatry ny Filoha / Aogositra 2018.

Vontosy filazantsara ny Nosy Madagasikara !
 

Mba tsy hiala avy etsy Ankatso ,

  Dia ho etsy Ambohidempona,

      Ity firenena kanto ity.

       Kanto nefa, dia izao:

       Iaraha-mahita ny manjo

       Satria sendra politikan’

       Olon-jamba sy marenina.

       Tena jamba tsy mahita

     Ny vahoaka izay mahantra,

       Fadiranovana tokoa,

     Efa mihohoka amin’ny tany.

        Tena jamba tsy mahita

        Afa-tsy ny vola ihany,

       Tombontsoa ho an’ny tena,

       Higalabonana, andihizana

        Ao anatin’ny mozikan’

     Ny toreon’ny maro ana isa!

       Ary dia marenim-belona,

       Tsy mandre intsonintsony

    Ny antsoantsom-pahamarinana,

      Ny kiakiakam-pahamasinana,

       Izay tena fantany tanteraka,

         Nefa dia odin-tsy re.

      Dia jamba sy marenina eo,

         Ka aongana, dia miala,

           Hiakaran’olo-jamba

        Sy marenina hafa indray,

       Satria tsy mino an’i Jesoa!

      VONTOSY FILAZANTSARA

      NY NOSY MADAGASIKARA!

                 IRAKO Andriamahazosoa  AMMI, Mpitandrina Filohan'ny FJKM