Hafatry ny Filoha / Mey 2018.

VONTOSY FILAZANTSARA NY NOSY MADAGASIKARA !

Dia i Madagasikara Hatrany an-tendrony avaratra Ka ho tonga hatrany atsimo, hahatratra ny atsinanana ary ho tonga hatrany andrefana, mba tsy hisy faritany hitankizina amin’ny haizina ao anaty fahantrana dia ny fahantram-panahy sy ny fahantran’ny nofo ary fahantran’ny saina Fa ny Filazantsara Entintsika dia hitondra Fahazavana ho azy ireny, hampandroso ny fiainany. Koa hatao ny toriteny, fa tsy havelantsika akory, saingy irosoana koa ny fanampiana ireo vahoaka amin-javatra ilainy. Tsy maintsy omena fahalalana Izy ireo raha tiana hivoatra Tsy ho azon’olona ambakaina; Tsy maintsy omena torohevitra Amin’ny fiainany isan’andro Hahatsapany fa i JESOA Dia mihevitra tokoa Ny fiainany tontolo, dia ny famonjena ho azy saina, vatana, fanahy!

VONTOSY FILAZANTSARA NY NOSY MADAGASIKARA !

IRAKO Andriamahazosoa Ammi, Mpitandrina 

Filohan'ny FJKM