Fehin-kevitra/ Synodampinoana 2018.
Araka ny Fanambaram-pinoana nataon’ny Synoda Lehibe faha 17 tany Manakara (Aogositra 2012), dia « tsy afaka miaraka ny maha Kristiana sy ny Framasaonery ; tsy afaka miaraka ny maha Kristiana sy ny Homosexualité ». (araka ny FD and-22 andalana 1).
1-MOMBA NY FRAMASAONERY
1.1- Fanazavana ara-potopinoana
Ny Fivavahana Kristiana dia maneho ny fahatsarana indrindra : ° mampivelatra ny maha-olona ao amin’i Jesoa Kristy ny finoana kristiana. °miorina sy miaina ary mifikitra amin’ny Tenin’Andriamanitra izay milaza ny finoana mahavonjy ao amin’i Jesoa Kristy irery ihany– Hamafisina ny fampianarana ny Soratra Masina sy ny maha protestanta reforme ka ialana ny marimaritra iraisana izay manohitra na manalavitra ny Soratra Masina.
– Fanamafisana ny fampianaram-pinoana hiatrehana ny Framasaonery : batisa , Fanasan’ny Tompo, Firahalahiana kristiana, Fanekena, Asa sosialy, fahaizana manome voninahitra an’Andriamanitra, fihariankarena, fahaiza-miaina, fitondrantena, fitiavana, famatsiam-bola, fanolorana na fahafoizana, fandraisana andraikitra, fanomezam-pahasoavana
– fivavahana hafa noho ny Kristianisma ny Framasaonery : ° mivavaka amin’i Losifera ataony hoe Grand Architecte de l’Univers ° mandà ny Trinité, ary hita fa te hihoatra an’Andriamanitra mihitsy ° tsy mino ny famonjen’i Kristy sy ny maha Tompo Azy ° manao Fanekena mifanohitra amin’ny Soratra Masina ° manana litorjia sy fomba, manana trano fiangonana, manana mpitondra fivavahana ° manao ny olona ho ivon’ny fivavahany (fivoizana ny fahasambaran’ny olona mpanaraka azy, ny fahafinaretany, …). ° firahalahiana tsy ao amin’i Jesoa Kristy no misy any amin’ny Framasao 1.2-FanapahankevitraAmpidirina ao anatin’ny katekisma sy ny fampianarampinoana ataon’ny FJKM ny momba ny fiatrehana ny Framasao
– omena tari-dàlana ny Mpitandrina sy ny tomponandraikitra amin’ny fanaovana fandresen-dahatra sy dinika atao amin’ny olona framasao
– Faritana ny momba ny maritrano fiangonana (polipitra, alitara) sy Sekoly, ny akanjom-panompoana sy ny zioga (tapaky ny Synoda Lehibe Arivonimamo 1980), ny hira sy mozika, ny rafitra sy litorjia, ny fomban’ny Fiangonana, ny fihetsika mandritra ny fanaovana fanompoampivavahana
– fandraisana an-tànana pastoraly ny Framasao : fitaizana, fialana nenina, fampiatoana tsy ho Mpandray
– fampiatoana amin’ny andraikitra mandritra ny fotoana handraisana an-tànana pastoraly azy ireo, ka hiverenany amin’ny làlan’ny fibebahana
-fanasongadinana any amin’ny Fanekena atao ny fandavana ny fanompoan-tsampy rehetra
– fampiasana ny Baiboly misy Jehovah sy Jesosy (na Jesoa) amin’ny famakianteny amin’ny fanompoam-pivavahana, fa ny hafa dia ho amin’ny fikarohana ihany no ampiasaina azy
– famoahana didin’akanjom-panompoana ho an’ny laika ny FJKM, ary arahina izany.
2-MOMBA NY HOMOSEXUALITE
2.1-Fanazavana ara-poto-pinoana
Manohintohina ny maha Mpahary an’Andriamanitra ny homosexualité, fikomiana sy fihantsiana ary fifaninanana Aminy.
– Tsy nahary olona ho Homosexuel mihitsy Andriamanitra
– fahotana, vokatry ny fahalavoana, eo anatrehan’Andriamanitra ary tsy handovana ny fanjakan’Andriamanitra ny Homosexualité
– Misokatra ho an’ny olona rehetra ny Fiangonana, ary ho an’ny olona rehetra koa ny famonjena.
– manohitra ny lamina efa nataon’Andriamanitra ny homosexualité: ° lahy iray sy vavy iray no mivady, ° fitohizan’ny taranaka ny fanambadiana ° fahafenoan’ny “endrik’Andriamanitra” ny fiarahan’ny lahy sy vavy ao amin’ny fanambadiana ° fanohizana ny fahariana izany – mampianatra marina ireo Soratra Masina izay niniana nodisoin’ny Homosexuel – manamafy ny fampianarana momba ny antropolojia biblika ao amin’ny Fiangonana, katekomena, Sampana– manatevina ny fiofanana momba ny fanambadiana, ka mampianatra zavatra hafa ankoatran’ny Fanekena sy fandaminana ny fanompoam-pivavahana
– mitaiza ny ankizy sy ny tanora, araka ny maha lahy sy maha vavy azy voajanahary – mampiorina ny fitaizana ao anaty « tsimisaramianakavy » sy Fiangonana ankohonana, no atao, ho fiombonana aina ho an’ny rehetra
– mampirisika ny zanaky ny Fiangonana manana andraikitra eo amin’ny firenena, tsy hanao volavolan-dalàna ary tsy handany izay lalàna manome vahana ny Homosexualité
– mitory sy mampianatra ny Zon’olombelona araka ny Soratra Masina ny Fiangonana
– miaina fitiavana tsy misy fanilihana na fitsaratsarana ny Fiangonana
– mahay mandray ireo fampianarana eto an-toerana sy avy any ivelany amin’ny maso kristiana : fitafy, fitaizana
2.2-Fanapahankevitra
Fanamafisana ny fampianaram-pinoana amin’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Fiangonana sy ny Sampana, ny momba ny maha lahy sy maha vavy – tsy mitsodrano ny fanambadian’ny Homosexuels ny Fiangonana, izay tsy nahazo tsodrano avy tamin’Andriamanitra
– fandraisana an-tanana pastoraly ny Homosexuel : fitaizana, fialana nenina, fampiatoana tsy ho Mpandray
– fampiatoana amin’ny andraikitra mandritra ny fotoana handraisana an-tanana pastoraly azy ireo, ka hiverenany amin’ny lalan’ny fibebahana
– fananganana sehatra fitaizana ho an’ireo efa tafiditra amin’ny Homosexualité, ho fanampiana azy ireo hiala amin’izany
– fanomezana tantsoroka ho an’ireo manana fahasamponana ara-boajanahary, mba tsy hihevitra ho voailika izy ireo.
Andrainarivo, faha 18 May 2018
Ny Filohan’ny FJKM,
IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina