Hafatry ny Filoha / Martsa II

VONTOSY FILAZANTSARA NY NOSY MADAGASIKARA! Na dia tena sarotra aza, toy ny ady tsy sahaza, izato ady atrehina eto mafy sady mampisento ! VONTOSY FILAZANTSARA NY NOSY MADAGASIKARA! Na dia kamo sy malaina Aza ireo izay nantenaina, Ka toa vitsy ireo izay sahy Hijoro ho tena lehilahy! VONTOSY FILAZANTSARA NY NOSY MADAGASIKARA! Na dia hitanao fa tery Ary ila hahavery Aza izato lalanao, fa ny Tompo momba anao! VONTOSY FILAZANTSARA NY NOSY MADAGASIKARA! Na dia toy ny vitsy foana Ny vokatra azo manoloana, Tsy araka ny nantenaina Tamin’ny fikelezana aina! VONTOSY FILAZANTSARA NY NOSY MADAGASIKARA! Na misy aza mamarara, Ny ezakao, tohizo tsara VONTOSY FILAZANTSARA NY NOSY MADAGASIKARA !  

IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi , Mpitandrina 

Filohan'ny FJKM