Hafatry ny Filoha Feb 18 / Soraty ny tantara
Vontosy Filazantsara
Ny Nosy Madagasikara !
Andeha soraty ny Tantara Na ho ratsy na ho tsara, safidinao irery izany saingy tadidio hatrany fa ‘zay asa ataonao ‘zao no voasoratra ho anao tsy azonao fafana intsony, k’alaovy ambany, alaovy ambony. Ianao io ve Manaiky handeha, tena vonona hankato Mba ho irak’i Jesoa? Sa hinia ho bemarenina Ka any am-parany hanenina Fa naditra sy nanda Satria kamo na tsy sahy? Fa ny Tompo mila anao Ho mpiara-miasa izao Fa tena betsaka ny vokatra, ny varavarana misokatra tokony hohararaotintsika! Nahoana ianao no hangatsiaka? Fa misy olo-marobe Izay tsy mbola mahare Ito Filazantsara Eto Madagasikara, olo-maro sesehena, tian’ny Tompo hovonjena olom-bery tena tiany! Ianao no antsoiny ankehitriny.VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA!
Irako Andriamahazosoa AMMI , Mpitandrina
Filohan'ny FJKM