BMF/Fanambarana vonjy voina
Fanambarana manokana (Jan 2022)
«Miorena tsara, aza miova» (Kor 15:58)
Ry havana,
Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny famindram-po ary ny fiadanana avy aminâAndriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika.
Ny Biraonâny mpiandraikitra Foibe dia manao izao hafatra izao: Mampahery ny vahoaka Malagasy tsy an-kanavaka, manoloana ny zava-misy iainanâny firenena ankehitriny toy ny rivo-doza, ny ranobe sns..izay misy fiatraikany mafy eo aminâny fiainantsika. Maro ireo traboina rava fananana, namoy havan-tiana, ao ireo nandao tsy fidiny ny toeram-ponenana. Miaina ao anatinâny fahasahiranana lalina isika.Fa hoy ny Soratra masina: â ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any aminâny voninahiny mandrakizay ao aminâi Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety hianareo dia Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareoâ I Pet. 5,10
Miantso antsika rehetra hanamafy hatrany ny vavaka isam-batanâolona sy isan-tokantrano fa: âny fiasanâny fivavaky ny marina dia mahery indrindraâ Jak. 5,16b
Manentana ny rehetra samy hiomana fa araka ny vinavinan'ny mpahay toetrandro dia mbola mety hisy roa amby folo (12) eo ho eo ny andro ratsy ka ny 4 hatraminâny 6 mety ho rivo-daza, hatraminâny volana Avrily 2022. Aoka hanaraka tsy tapaka ny vaovao sy toromarika omenâny tomponandraikitra isika. Hoy ny Soratra Masina: âfa miambena ka mivavaha mandrakariva mba hahery ianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehanâny Zanakâolonaâ Lio.21,36
Hoy ny Soratra Masina: âfa noana Aho, dia nomenareo hanina, nangetaheta Aho dia nampisotroinareo, nivahiny Aho dia nampitranoinareo, tsy nanan-kitafy Aho dia notafianareo, narary Aho dia notsaboinareo⊠Lazaiko aminareo marina tokoa: araka izay efa nataonareo taminâny anakiray aminâireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo Tamikoâ Mat. 25:35,36ab, 40
Noho izany dia mitaona antsika hanao voin-kava-mahatratra ho an'ireo traboina, eo amin'ny faritra misy antsika, ho anâny isam-pitandremana sy isaky ny Synodamparitany.
Koa miantso antsika Mpitandrina sy ny tomponandraikitra aminâny Fitandremana, hanentana sy handray ny fanampiana ary handamina ny fizarana izany ho anâireo traboina.
Azontsika atao ihany koa ny manatitra izany mivantana aty amin'ny Foibe FJKM varavarana 201 (Aumonerie) na handefa izany aminâny Mvola finday : 034 96 209 32 (Andry Nina Velosoa TDMVF) Raison:Vonjy Voina, na arotsaka aminâny Bankin'ny Foibe FJKM, BAOBAB BANQUE : 00013 00022 23658977811 43 TsaralalĂ na
Aoka isika hijery ny zava-misy marina eo amin'ny toerana izay misy antsika ka hahafoy tena, fananana, ary hanao asa soa sy fiantrana ho anâireo mila vonjy, hahafoy fotoana hampahery ary hitrotro am-bavaka azy ireny. Araka ny Soratra Masina: âIsika tsy maintsy manao ny asanâizay naniraka Ahy, raha mbola antoandroâ Jao 9, 4a
Ho antsika tomponandraikitra, samia manao tatitra marina sy mazava eo anatrehanâ Andriamanitra sy ny Fiangonana ary ny fiaraha-monina, Fa hoy ny Soratra Masina: âfa miomana hanao izay mahamendrika izahay, tsy eo imasonâny Tompo ihany, fa eny imasonâny olona koa.â 2 Kor. 8,21
Manao veloma anareo aminâny anaranâilay Tompo Jesoa Lohanâny Fiangonana.
Ny Filohan'ny FJKM
IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina