Hafatry ny Filoha/ Nov 2021

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

Tena vina makadiry

Izany vinantsika izany;

saingy izao no tadidio:

tsy voatery hiandry ny hafa,

na ny maro ana isa ianao

vao hihetsika hanatratra

izany vinantsika izany.

Fa manomboka amintsika

Isam-batan’olona avy

Ny fanavaozam-pirenena

Raha ianao fotsiny aza

No manda ny kolikoly

Sy mandresy fahalovana

Amin’ny toera-misy anao,

Dia efa zavatra tokoa

Aza atao hoe: inona iny,

voam-pasika ankiray

eny amoron-dranomasina?

Tsia, fa tena zavatra iny,

satria tsarovy fa ny voa

kely bitika entin-drivotra

iny ange nolasa hazo

kininina mijoalajoala e!

Ka ny fihetsika madinika,

mendri-kaja vitanao,

tsy hahoraka an-gazety,

nefa hitan’Andriamanitra

ary hitahiany anao,

fa tsy very maina akory!

Koa mahereza ianao, Sakaiza:

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

IRAKO AMMI