Inona àry izany no tokony hataon’ny fiangonana?

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 09 Jolay 2022
1 KORINTIANA 1.1-9
1 [Fitarihan-teny sy fiarahabana ary fisaorana] Paoly, voantso ho Apostolin'i Jesosy Kristy noho ny sitrapon'Andriamanitra, ary Sostena rahalahy, 2 mamangy ny fiangonan'Andriamanitra any Korinto, dia izay nohamasinina ao amin'i Kristy Jesosy, olona voantso sady masina, mbamin'izay rehetra miantso ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika eny amin'ny tany rehetra, dia azy sy antsika: 3 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. 4 Misaotra an'Andriamanitro mandrakariva ny aminareo aho noho ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena anareo ao amin'i Kristy Jesosy, 5 dia ny nampananana harena anareo ao aminy amin'ny zavatra rehetra, na ny teny rehetra, na ny fahalalana rehetra, 6 araka ny niorenan'ny filazana an'i Kristy teo aminareo, 7 ka dia tsy latsaka amin'ny fanomezam-pahasoavana rehetra ianareo, miandry ny fisehoan'i Jesosy Kristy Tompontsika, 8 Izay hampiorina anareo koa hatramin'ny farany, ka dia tsy hanan-tsiny ianareo amin'ny andron'i Jesosy Kristy Tompontsika. 9 Mahatoky Andriamanitra, Izay nahatonga ny fiantsoana anareo hanananareo firaisana amin'ny Zanany, dia Jesosy Kristy Tompontsika.

Azontsika tsoahana aminizao fitarihanteny sy fiarahabana ataon’i Paoly izao fa ny fiangonana dia :

1-An’Andriamanitra (and2)

« Fiangonan’Andriamanitra any Korinto » , hoy ny Apostoly raha nanoratra ho azy ireo. Miharihary ary mihasikasina mihitsy amin’izany fa Andriamanitra ihany no Tompon’ny fiangonana ary tsy misy olombelona tokony hihambo ho tompony na manana fahefana aminy na iza izy na iza ny hoe: Fiangonana rahateo dia tsy vata-trano akory (izany no mahatonga ny olona sasany hirehareha hoe : fiangonan-drazanay io) fa ny fiombonan’ny mino . I Jesoa no lohan’ny Fiangonana ary mpanaraka avokoa ny sisa rehetra . Taomina àry isika anio hahatsiaro fa fahadisoana ny fiheveran-tena ho tompon’ny fiangonana .Ny antsika FJKM eto Madagasikara dia mazava rahateo fa « Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara ».

2-Manakarem-pahasoavana (and4)

« Misaotra an’Andriamanitra mandrakariva ny aminareo aho noho ny fahasoavan’Andriamanitra izay nomena anareo ao amin’i Kristy Jesoa » . Aorian’io i Paoly dia mitanisa ireo harem-pahasoavana nomena ny fiangonana (and5), izany hoe : tsy misy fiangonana tokony hilaza fa sahirana na marefo satria samy nomena herem-pahasoavana avokoa fa anjaran’ny fiangonana ny mitrandraka ireny mba handrosoany . Azo ambara koa aza fa amin’ny toerana misy fiangonana dia feno fahasoavana . Andao àry isika fiangonana hampiasa izany ka tsy hikatona ao anaty rindrina efatra fa hamoaka izany ho zary fahasoavana ho an’ny firenena manontolo mihitsy .

Fanontaniana:

Inona àry izany no tokony hataon’ny fiangonana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM