Hafatry ny Filoha / Feb 22

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

Ka ny tokantranontsika

No anombohy hiasana tsara

Mba ho vanona ao tokoa

Izany fiombonana aina

Hiombom-bavaka isan’andro.

Ka ny isan-tokantrano,

tena hahafehy tena

hahatokana fotoana

isan’andro, isan’andro,

hiarahana mivavaka,

sy mamaky ny Baiboly.

Koa ny maha tokantrano

Kristianina dia aoka

Hivelomana tokoa

Amin’ny fomba sy fiteny,

amin’ny fifandraisantsika

Dia i Jesoa no tena hanjaka

Satria nekena ho tompon-trano

Dia hifankatia isika

Noho ny asan’ny Fanahy,

Hifanaja, hifanasoa;

Ary koa mba hifamela

Rehefa tojo fahatsontsana!

Dia i Jesoa no tena hanjaka

Fa tsy sanatria akory

Hobahanan’ny tele

Na ny fampielezam-peo

Ny fotoana mamintsika

Mba hihaonana amin’ny Tompo!

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

IRAKO AMMI