Hafatry ny Filoha III / Jolay 2017 .
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA
K’aza dia variana foana Mihainohaino ny an’ny hafa, na minia tsy hahalala ‘zao antso avo atao izao, fa sahia manapa-kevitra am’zay handray anjara.Andao fa ny olona efa lasa
Nirotsaka nitety trano,
namakivaky lohasaha,
eny, nihanika ny havoana,
niampita rano be voay
mba hitory sy hanambara
ito Filazantsara !
Andao fa ny olona efa lasa, ka miasa isam-bolana. Ny fiangonana, ireo sampana, Samy mihetsika, mandeha! Ka ny akaiky, manodidina, voatsiditsidika mazàna, ny alavitra, tsy hadino f’efa anaty tetikasa sy tetibola maty paika.Izany izao no ataon’ny olona:
tsy eritreritra sy hevitra,
f’efa tena asa atao.
Ianao koa, mba mitsangàna:
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !
Irako Andriamahazosoa Ammi , Mpitandrina
Filohan'ny FJKM