Hafatry ny Filoha II / Jolay 2017

Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara

  Ka ny hamaroan’ny ratsy, ny fihanaky ny loza, ny hatevin’ito haizina izay manarona ny tany, sy ny loto tsy hita intsony, manempotra ny fiainantsika, aza ataonao mahakivy, aza ataonao fialana hampiraviravy tanana, ka hanjary hialana tsiny tsy hitenenanao intsony O, diso ianao : Fa moa tsy ny haizina Iny indrindra no ilana Ny fanilonao hirehitra ? Moa tsy ny olana mihitsy No fanoitra hanainga antsika Mba hitady vahaolana ? Moa ve tsy ny halotoana No mihantsy antsika rehetra Hanadio ka hanadio ? Fa iza no salama saina Hanadio izay tsy maloto ?   Koa raha misy re ny haizina, Itondray ny fahazavana ! Koa raha misy re ny aretina, Ento eo ny fanafody ! Koa raha misy ny hadalana, Ento eo ny fahendrena: VONTOSY FILAZANTSARA NY NOSY MADAGASIKARA !

IRAKO Andriamahazosoa Ammi

Filohan'ny FJKM