Hafatry ny Filoha / Jiona 2017
Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara !
Fa izany dia izany No faratampony tokoa Ho fitiavan-tanindrazana Fa ny firenena tiana Dia asondrotra ho ambony, Nefa ny ambony indrindra Tsisy mihoatra ny any an-danitra ! Fa ny firenena tiana Dia hasoavina ho tsara Nefa tsisy tena tsara Toy ny hoe i Jesoa no Tompo Sy manjaka manontolo Eto Madagasikara ! Fa ny firenena tiana Dia iriana marimarina Mba ho sambatra tokoa tsy amin’ny hira fotsiny ihany, Fa fahasambarana hahatratra Ny amin’ny isam-baravarana ! Kanefa iza moa no sambatra ? Ny firenena izay voalaza Fa manana an’i Jesoa Tompo Ho an’Andriamanitra inoany , Ka ireo Mpitondra, olon-tsoa Tena minoa an’i Jesoa, Ny vahoaka maro ana isa, Miroso ho any Paradisa ! Ry olom-pirenena vanona :VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !
Irako ANDRIAMAHAZOSOA AMMI , Mpitandrina
Filohan'ny FJKM