Hafatry ny Filoha/ Martsa 2019
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !
Fa ny Filazantsara,
Rehefa iainana tokoa,
Dia manangana olo-manga,
Fohazy kely ny tantara
Mba handraisantsika ohatra,
Izany RAINANDRIAMAMPANDRY:

Nampikoy ireo vazaha
Ka naleony novonoina,
Fa Malagasy mendri-kaja
Tsy azon’iza notambazana;
mafy loha, tsy laitra ahodina
fa tena tia ny tanindrazany!
Ireo vazaha nitifitra azy
Nitsiriritra ny herin-tsaina
Sy ny hambonian-toetra
Nijoroany tsy nivena.
Santionany izy fa ho lany
Ny androntsika raha toa
Ka hotanisaina etoana
Ireo Malagasy tena mpino
Nijoro ho tena fahazavan’
Ity tanindrazantsika ity,
Tena mpino ireo satria
Nandray am-po ka tena niaina
Ny fon’ny filazantsara
Efa notorina taminy.
Izany no ilazana hoe:
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !
IRAKO Andriamahazosoa AMMI, Mpitandrina
Filohan'ny FJKM