Vahiny mpanao asa soa
Ray aman-dreny teratany Koreana tatsimo. Misionera izy. Muster JU no fiantso azy. Fiangonana FJKM 3 no natsangany teto M/kara : FJKM Ampasika , FJKM Ilaka Est , FJKM Mandrosoa Ivato . Nanorina sekoly koa izy ao Talatamaty sy ao Mandrosoa Ivato .Mpianatra miisa 200 no mianatra maimaimpoana ao amin’ ireo sekoly ireo, misy ny omena sakafo isanandro ,ampolony eo izy ireo,ary misy ny misakafo isaky ny asabotsy miisa eo amin’ny 400 eo ho eo. Misy chorale amin’izy ireo, ka ao ny mihira amin’ny teny koreana ,ao ny amin’ny teny malagasy. Feno 10 taona izay no nanaovany izany asa soa izany…Mendrika ankasitrahantsika Malagasy ny teratany vahiny manome izay azony atao hialana amin’ny fahantrana, tsy misy ambadika fa tena asa fanompoana.