Trano notokanana

Trano ho an’ny Mpiasan’ny FOIBE FJKM

Notokanana ny Talata 24 Oktobra lasa teo ny trano onenan’ny Mpiasan’ny fandraharahana eo anivon’ny Foibe FJKM. Eny Ampandrana no miorina izany trano izany, ahitana efitra miisa 8 ary mahazaka fianakaviana 4. Mitentina 44 tapitrisa ariary ny vola lany tamin’ny fanamboarana azy izay ezaky ny hetsika JKM. Mbola hitohy ny asa amin’ny fananganana rihana ary efa nomanina amin’izany ny fototra napetraka.

Tonga nitokana izany teny an-toerana ny Birao Foibe FJKM notarihin’ny Filohany Atoa IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina, sy ireo Mpikambana eo anivon’ny Mpiandraikitra Foibe FJKM sy mpikambana eo anivon’ny JKM . Marihina, fa mbola hisy asa fanatsarana fanampiny amin’io trano vaovao io amin’ny fananganana  lakozia sy trano fidiovana, izay iarahana miasa amin’ny mpino ao amin’ny Fjkm Faravohitra.

Aris