TPM / Fanolorana fahefana pastoraly
« Indro mametraka fehizoro ao Ziona Aho dia vato voafidy sady tsara …« 1 Pet2.6b
Ny Filoha sy ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe , ny Doyen, ny Filankevitry ny Mpampianatra dia faly manasa anareo hiaraka hisaotra sy hanome voninahitra an’ Andriamanitra amin’ny Fanompoampivavahana fanokafana ny taona Akademika 2017-2018 sy fanolorana ny Fahefana Pastoraly ho an’ny andiany :
FEHIZORO
Izany dia hatao ny Alahady 12 Novambra 2017 , amin’ny 2ora sy sasany ao amin’ny FJKM Analakely .
Hery lehibe ho anay ny fahatongavanao .