TOLOTRASA / SEKRETERA JENERALY FJKM
Ny Foibe FJKM dia mitady olona iray (1)
ho SEKRETERA JENERALY : Lehilahy na Vehivavy 45 taona raha kely indrindra
Mpitandrina voatokana, 15 taona nanao asa pastoraly raha kely indrindra, na Laika Diakona FJKM
Manana ny Mari-pahaizana Bacc +4 raha kely indrindra. Tombon-dahiny ny fananana mari-pahaizana amin’ny sehatra samihafa.
Mahalala ny FJKM, mahafehy ny Fotodalàna sy Fitsipika FJKM
Mahafehy ny tenim-pirenena : Malagasy, Frantsay, Anglisy
Mahafehy ny fitaovana sy serasera informatika
Manana traikefa amin’ny Asa Iombonana sy ny Asa pastoraly
Manana finiavana hiara-miasa amin’ny hafa, mandray fanapahan-kevitra, mahafehy ny fandraharahana anaty sy ivelan’ny Fiangonana, mahay miatrika ny toe-javatra ao amin’ny Fiangonana
Salama tsara, afaka mivezivezy matetika
Afaka miasa avy hatranyANTONTAN-TARATASY ILAINA :
Sary tapaka iray (1), nalaina tao anatin’ny telo (3)volana.
Kopia Mari-pahaizana ananana
Taratasy fanolorana avy amin’ny Mpitandrina niaviany (raha Laika), ary fanolorana avy amin’ny olona mahafantatra azy tsara (raha Mpitandrina).
CV
Taratasy sora-tanana milaza firotsahana hifaninana
Taratasy maneho fahavononanaNy Antontan-taratasy mihidy misy ny soratra Tolotrasa voalaza eo ambony, dia haterina ao amin’ny Foibe FJKM, Analakely, rihana voalohany, Sekreteran’ny Filoha FJKM.Ny daty fara fanaterana dia ny ZOMA, 14 OKTOBRA 2016, amin’ny 4 ORA hariva. Azo alefa amin’ny mail<irakoammi@gmail.com> ny filatsahana ho mpifaninana.