Tatitra / Fametrahana ny FILOHA vaovao

TATITRA FAMETRAHANA NY FILOHA

« Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika » (2 Tim 1.8a)Izany indray ny Teny fanevan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara mandritra ny efa-taona (2016-2020) .Ny lohahevitry ny perikopa mandritra ny volana Septambra kosa dia ny hoe : « Manambara ny asan’ny Tompo ny mino »Daty tsy azo kosehina amin’ny tantaran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara ny Alahady 25 Septambra 2016 , nanomboka tamin’ny 2ora sy sasany tolakandro tao amin’ny Lapan’ny Kolotsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina : Fanompoampivavahana fisaorana an’ Andriamanitra , fanolorana sy fametrahana amin’ny andraikitra maha- Filohan’ny FJKM an’ Andriamatoa IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi , Mpitandrina mivady miaraka amin’ireo Mpikambana ao amin’ny Biraon’ny Mpiandraikitra FOIBE. Nitarika ny fotoana , Andriamatoa RABEHATONINA James , Mpitandrina .Nandray anjara tamin’ny fanafanana ny fotoana ireto Antoko mpihira ireto : - Roimemy , STK FJKM Ankadikely Ilafy- FJKM Ambohimalaza Kanana- AMAM , FJKM Andrainarivo Fahasoavana- Amboarampeo fiderana , FJKM Androndra Fahasoavana- STK FJKM Anosivavaka- FJKM Ankadimbahoaka- Anjomara , FJKM AnosivavakaNanambara ny raharaha tsara ho fantatra , ny Sekretera Jeneraly , Andriamatoa MARINASY , Mpitandrina .Nitari-bavaka sy namaky ny Soratra masina : Ireo President Synodal efatra mirahalahy eto Antananarivo ( SP 10, SP 11, SP 12, SP 19 ) .Famintinana ny Toriteny : EFESIANA 3.81- Torio Kristy : adidy tsy maintsy atao ny hitory ny haren’i Kristy , ampy ho an’ny olona rehetra . Ataovy vonton’ny Filazantsara i Madagasikara .Manana ny harena tsara isika . Koa aza menatra .2- Torio amin’ny hafaliana i Kristy . Tombotsoa lehibe no efa azoko satria nirahina hitory aho . Nilazan’ Andriamanitra ny tsiambaratelony aho . Tokony handeha amin’ny fifaliana . Ataovy vonton’ny Filazantsara i Madagasikara .3- Torio amin’ny fanetrentena i Kristy .Izaho izay kely noho ny kely indrindra , bitika noho ny bitika indrindra no filazan’i Paoly ny momba azy na dia tsy kely akory aza izy fa mariky ny fanetretena nananany izany . Tsy voatery hiakatra polipitra vao afaka mitory an’i Kristy .Torio amin’ny fanetretena i Kristy . Matoa afaka mitory ny Filazantsara i Paoly dia satria namindran’ Andriamanitra fo , tahaka antsika rehetra koa .Ny tantara ratsinao dia tantara ratsinao fa azonao atao ny mibebaka .Afaka manatanteraka izany baikon’ny Tompo izany ianao.4- Torio amin’ny fahasahiana i Kristy . Kely ianao fa tsy mampaninona . Aza menatra , afaka mitory ianao . Torio amin’ny fahasahiana .Tahaka an’i Zakaiosy , aza atao ho sakana ny toe-batana ka tsy hitoriana ny Filazantsara . Ataovy mahalala ny Anaran’i Jesoa ny manodidina anao .AmenaNitarika ny vavaka setriny sy fangatahana , ny Tonian’ny Departementan’ny Fiangonana , Andriamatoa RADIMISAON Jonah , Mpitandrina .Nilaza ny maha-ara-dalàna sy manaraka ny foto-dalàna tsara ny fizotry ny fifidianana , ny Mpitandrina RABEVITA Saina Mpitandrina , Filohan’ny Vaomieran’ny fifidianana . Nitarika ny fanolorana sy fametrahana, Ramatoa RAZAFIARISOA Juliette, Mpitandrina , Biraon’ny SL XVIII .Fandraisam-pitenenana :Ny Filohan’ny FJKM no niarahaba sy nisaotra ireo rehetra tsy anavahana , na ara-piangonana na ara-panjakana , vahiny avy amin’ny fiangonana rahavavy ,iraka misionera izay nanohina ny antso , tonga marobe tamin’izao Fanompoam-pivavahana fametrahana azy amin’ny andraikitra vaovao izao .Na dia izany aza anefa dia notsindriany manokana ny fisaorana ny Filoha teo aloha , izay nodimbiasany , nahavita ny 12 Taona, noho ny faharetany sy ny fiaretany nandritra izany fotoana lava izany . Hodinihana manokana , hoy izy ny sata manokan’ny Filohan’ny FJKM . Sokafana ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra . Misokatra ny varavaran’ny Birao-ny ao amin’ny FOIBE FJKM Analakely .Mangataka tolo-tànana amin’ny malala-tànana .Mangataka tolo-tànana amin’ny rehetra tsy ankanavaka :Tolo-tànana amin’ny asa mivantana toy ny Trano fiasana ao Ifanomezantsoa Analakely , toerana misy ny FOIBE FJKM min’izao fotoana izao , mila zavamaniry maitso hampisy endrika ny Birao , ny fampitaovana amin’ny asam-birao, ny ordinateurs mbola mila ho an’izay afaka manao izany , ny fiara ampiasaina satria nindramina ilay nampiasain’ny Filoha teo aloha hatramin’izay .Raha ny lafiny fifandraisan’ny fiangonana sy ny fanjakana indray dia nambaran’ny Filoha ,fa tonga hohamafisina hatrany izany ho fanasoavana ny mpiara-belona , fa ny tena notsipihany dia ny tsy hanaovana ny fiangonana ho fitaovana politika .Nambarany tao amin’ny lahateniny koa fa laharam-pahamehana ny fampitambaovao FJKM. Hojerena ny fanatsarana ny Fanompoam-pivavahana Alahady maraina ao amin’ny TVM .Omena aina vao ny RADIO FAHAZAVANA, izay mpitondra tenin’ny FJKM mba ho fampandrosoana ny olona rehetra , ho RADIO matanjaka . Hojerena akaiky ny vontoatin’ny fandaharana . Antso ho an’ny mpana-talenta : mba hanateran’izy ireo ny rakikirany ao amin’ny Radio Fahazavana . Azonareo atao , hoy izy , ny manatona ny Sekretera Jeneraly raha misy azonareo atolotra enti-manatanterahana ny asa voalaza rehetra teo , ary soratana ao anatin’ny Boky volamena izany .Tolo-tsaina : amin’ny alalan’ny Boîtes à idées . Soraty tsara izany sady asio anarana sy sonia .Tolo-bavaka : zava-dehibe ny vavaka . Ento ambavaka ny FJKM , ny tomponandraikitra rehetra . Teo no eo ihany dia notarihana hifampivavaka tsiroaroa ny mpino tao amin’ny Palais des sports .Nifarana tamin’ny fandraisan-tànana nataon’ny Filoha mivady teo am-baravarana ho an’ ireo afaka manao izany tao amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny fotoana , samy nahazo hery , velom-panantenana ny vahoaka kristiana FJKM fa hisy ny ainga vao hampandrosoana ny fiainan’ny Fiangonana .Marihana fa feno hipoka hatrany an-tokotany ny vahoaka kristiana tonga nanome Voninahitra an’ Andriamanitra tamin’izao vanim-potoana nanamarika manokana ny fiainan’ny FJKM izao . Ho an’ Andriamanitra ny VoninahitraRtoa Sahondra (AFIFAB / Site web)