SP 16/ Fanokanana Birao SFL
Synodamparitany KRIFAA – 16Fanokanana biraon’ ny SFL sy fametrahana zioga.
Nambara tamin’ny fomban’ny fiangonana ny fitsanganan’ny sampana vondrona Fototra Laika FJKM Marovato Andapa, FJKM Ambarihoambana Sambava, ary ny FJKM Nosiarina Sambava. Izany asa vavolombelona izany dia natao nandritra ny fanompoam-pivavahana ny Alahady 8 Aogositra 2021 tao amin’ny FJKM Filadelfia Sambava. Notokanana ny biraon’ny Sampana Fivondronana Laika tamin’ireo fitandremana ireo. Ramatoa Rajonah Dina tonian’ny Vondrona Fototra Laika foibe FJKM, notronon’ny filoha mpanampy SFL foibe Randrianandraina Marka Fety Mpitandrina ary ny mpanolo-tsaina SFL foibe no nanatanteraka izany asa izany. Nisy ny fametrahana zioga SFL ho an’ ireo mpikambana vaovao izay notanterahan’ny Biraon’ ny VPL Sambava. Tao anatin’ ny fanomanana ny Synoda lehibe faha-19, ny VFL Sambava dia nanolotra 400.000ariary ho fanomanana izany. Nambara tamin’ izany koa fa hotanterahina ny Talata 23 Aogositra 2021 no hifidianana ny filoha SFL vaovao. Ary hahemotra ny fihaonambe izay saika hatao any Fenerive- Est ka ny 24 Aogositra 2021 mandritra ny Komity Lehibe no hanapahana izay fotoana manaraka hanatontosana izany.
Veronica A