SL XIX / Fandraisam-bahiny
Ho fandraisana ny vahiny hiatrika ny Synoda lehibe faha- XIX eto amin’ny FJKM Filadelfia Sambava-Centre. Nisy ny fanasan-tongotra ny Alatsinainy 9 Aogositra 2021 nokarakarain’ny sampana fifohazana eto amin’ny fitandremana Filadelfia Sambava. Nandray anjara tamin’ izany ny solotena avy amin’ny Birao Mpiandraikitra Foibe, ny tonia ary Tale eo anivon’ny Foibe FJKM sy ireo Kristiana marobe natao hiatrika ny Synoda efa tonga aty an-toerana.
Araka ny fanazavan-dRamatoa Zafy Ginah na mama Ginah, filohan’ny Safif Filadelfia Sambava, ny hevitry ny fanasan-tongotra raha ny fampianaran’ i Jesoa Kristy dia mariky ny fitiavana sy ny fanetretena. Jesoa Tompontsika nanasa ny tongotry ny mpianatra, maika fa isika mpianany va tsy hifanasa tongotra sady mariky ny fanadiovana. Natao izao ao anatin’ ny fandraisana ny Synoda lehibe ho mariky ny fiombonana, firaisana ary fifankatiavana satria iray ihany ny FJKM ».

Veronica A