Sekoly Misionera 2017 / Andiany Santatra
SEKOLY MISIONERA (Semi) FJKM
902 mianadahy navoaka araka
ny fombam-piangonana
Araka ny fivoriana nataon’ny Synoda lehibe, ary araka ny tetikasa asa Fitoriana Filazantsara FJKM dia tapaka fa hanokatra sekoly misionera na SEMI ny Fiangonan’ny Jesoa Kristy eto Madagasikara. Ny tanjony voalohany indrindra dia ny hitahiry tsara ny mpino ho vavolombelona mahatoky ary mba hamorona fiangonana amin’ireo kaominina 407 izay mbola tsy misy FJKM sy hamontosana filazantsara ny Nosy Madagasikara araka ny vinan’ny FJKM ihany.
Tanteraka ny Sabotsy 21 Octobra 2017 lasa teo ny famoahana ara-pombam-piangonana ireo 902 mianadahy nianatra ho misionera FJKM voalohany, izay notanterahina tao amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana. Ho reharehan’ny fiangonana tokoa izy ireo no ho izy anisan’ny fantsona lehibe hanatanteraka ny vinan’ny FJKM manao hoe “Vontosy filazantsara ny Nosy Madagasikara”. Araka ny teny nolazain’ny filohan’izy ireo tamin’ny kabary izay nataony dia hiparitaka eran’ny synodamparitany miisa folo izy ireo. Miantomboka amin’ny fananganana vondrom-bavaka hatramin’ny fananganana trano fiangonana FJKM. Tsy hionona amin’ny fanatsarana ny endriky ny fiangonana ivelany fotsiny fa araka ny maha misionera, dia nampianarina izy ireo mba hanana toe-panahy misionera na toe-panahy tahaka izay nananan’i David Jones sy i Thomas Bevan.
Tsiahivina fa, i David Jones sy i Thomas Bevan ary ny vady aman-janany avy no nanokatra ny asa fitoriana filazantsara teto Madagasikara izay nalefan’ny London Missionary Society na LMS izay ankalazaintsika ny faha 200 taonany ankehitriny. Marihina fa mbola mitohy ny fianaran’izy 902 mianadahy ireo taorian’ny famoahana azy. Izany dia ho fampitomboana hatrany ny fahalalana izay ananan’izy ireo Ny hany andrasana amintsika kosa dia ny fanohanana azy ireo ara-bola, ara-pitaovana ary indrindra ny fitondrana am-bavaka azy ireo mba ahatontosa ny asa nankinina taminy.
Lanitra-Hery-Orlando