Rojom-bavaka/ SL XIX

ROJOM-BAVAKA ATY AN-TOERANA 

mandritry ny SYNODA LEHIBE faha- XIX

Mitohy hatrany ny fitondrana am-bavaka eto amin’ny Synoda Lehibe. Anisan’izany ny fifonana sy ny fandroahana demonia ary ny fitalahoana amin’ny Tompo ny  hiasan’ny Fanahin’Andriamanitra mandritry ny fifidianana.

Araka ny antom-bavaka ao anatin’ny Bokikely tari-dàlana hatrany no anatanterahana ny vavaka, miampy an’izay antom-bavaka  manokana voaray  sy  izay hitarihan’ny Fanahy masina. Miankina amin’izay no ijerena na misy vavaka manokana tokony atao amin’ny toerana manokana  na mijanona ho vavaka iombonan’ny besinimaro.

Noho ny fitomboan’isan’ireo mpitondra am-bavaka, dia tsy maintsy nitarina tamin’ny andro faha-telon’ny Synoda ny fefy jiafotsy namefena ny eo anoloan’ny trano fivavahana; mba hahafahan’ireo izay tsy tafiditra ao anatin’ny efitrano fivavahana manaraka ny fitarihana ny vavaka sy madray anjara amin’ny vavaka.

Mahafaly ihany koa ny mahafantatra fa marobe ireo kristiana tsy manatrika ny Synoda Lehibe no miombom-bavaka, miray fo sy saina  tanteraka ao anatin’ny vavaka, mba hahatanteraka izay tena sitrapon’ny Tompo amin’izao Synoda Lehibe faha-19 izao. Tsy irery araka izany ny mpitondra am-bavaka aty an-toerana raha mivavaka ho an’ny fifidianana sy ireo mpifidy,  ho an’ny mpikirakira ny voka-pifidianana sy ny  mpanatrika ny Synoda lehibe, ho an’ ny fitaovana rehetra ampiasaina sy ireo mpandray vahiny,  …

Anisan’ny mampahery ny mpitondra am-bavaka  mandritra ny fotoana ivavahana ny hira sy ny  tenin’Andriamanitra vakiana sy zaraina  mandritra ny vavaka; anisan’izany ny I Sam 16: 1-13 izay nanankinana manokana ny vavaka mahakasika ny fifidianana.

Ho an’Andriamanitra tokana sady marina irery  ihany anie ny Voninahitra.

 Mamy Danielline