Rasendrahasina Lala Haja, Mpit / Fankasitrahana
RASENDRAHASINA
Lala Haja Mpitandrina mivady
Nisaorana an’Andriamanitra sy nankasitrahana noho ny andraikitra maha-Filohan’ny FJKM teo aloha azy
« Ary ampahatanjahina amin’ny hery rehetra araka ny haren’ny voninahiny ho amin’ny faharetana rehetra sy ny fandeferana amin’ny hafaliana ka misaotra ny Ray izay nampahamendrika antsika (Kolosiana 1/11-12a)
Io no nakana ny hafatra tamin’ny toriteny izay nentin’ny filohan’ny FJKM Atoa IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina tamin’ny fanompoampivavahana fisaorana an’Andriamanitra noho ny asa fanompoana an’Atoa RASENDRAHASINA Lala Haja Mpitandrina mivady ny Alahady 22 oktobra 2017 tamin’ny 3 ora tolakandro tao amin’ny FJKM Ankadifotsy.
Nitarika ny fotoana, Atoa ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy, Mpitandrina Mpanolotsaina. Solontena avy ao amin’ny Mpiandraikitra Foibe no namaky ny soratra masina ary nanao ny vavaka fangatahana.
Ny Farimbona FJKM Ankadifotsy sy ny Taniketsa FJKM Ambonin’Ampamarinana no nanafana ny fotoana. Hafatra roa mazava no nentin’ny filohan’ny FJKM tamin’izany : ny voalohany dia mitodika amin’ny mpitondra. Isika mpitarika , tsarovy ny mivavaka ho an’ny olona entintsika. Ny faharoa dia ho an’ny vahoakan’Andriamanitra. Isika vahoakan’Andriamanitra dia meteza ho valim-bavaka : mahereza, mahareta, miareta, misaora, mifalia.
Anisan’ny notolorana mari-pankasitrahana ny Filohan’ny FJKM teo aloha, Ny filohan’ny FJ KM amperinasa no nanatanteraka ny fankasitrahana izay nanazavany fa tapaka tao amin’ny fivorian’ny MF izao fotoam-pankasitrahana izao . Notolorana mari-pankasitrahana sy fanomezana avy amin’ny vahoakan’ Andriamanitra izy mivady . Nisy ny fandraisana fitenenana nataon’ny solontena ny Mpiandraikitra Foibe sy ny Filohan’ny FJKM narahina fifandraisan-tanana sy fifanorohana masina.
Niavaka ny fandraisam-pitenenana nataon’ny zanany, Andriamatoa RASENDRAHASINA Fitahiana , nitondra ny tsiahy sy tsiaro, ny zava-bita, ny tsara sy ny mafy nentin’ny Mpitandrina rainy nandritra ny taom-piasany sy ny fiainany amin’ny maha- Mpitandrina azy. Ny toetra tena nampiavaka azy mivady dia ny fitiavana manome sy manolotra , ny fahazotoana manangana fiangonana tany amin’ny toerana lavitra . Nahavariana ny maro ny hira manokana nataon’i Fitahiana , zanaka tokan’izy mivady niaraka tamin’ny Taniketsa FJKM Ambonin’Ampamarinana.
Tamin’ny fandraisam-pitenenan’ny Mpitandrina RANJAKAVOLA tao amin’ny FJKM Ankadifotsy no nilazany fa zanaky ny Mpitandrina RASENDRAHASINA Titus Filohan’ ny FJKM voalohany izy, ka dia noharabaina manokana fa tafaverina tao an-tranony indray rehefa avy namita iraka tany ivelany.
Andriamatoa Radavidson ANDRIAMPARANY Benjamin no nisolo tena ny Foibe FJKM, nitondra ny fahitany ny fiaraha-miasa taminy sy ny zavatra nihatra tamin’ny mpanompony na mafy na mora fa tantara tsy maintsy lalovana izany mba ho vavolombelon’ny Tompo. Marihina fa voatendry ho mpampianatra matihanina ao amin’ny Toeram-Panomanana Mpitandrina eny Ambatonakanga Andriamatoa RASENDRAHASINA Lala Haja mpitandrina amin’izao fotoana izao .
Mirary soa azy mivady mbola hahefa be amin’ny fanompoana ny Tompo sy ny Fiangonana . Ho Voninahitr’ Andriamanitra .
Rojo Ramaroniaina / R. Philémon