Ny Ambaratongam-pitondrana.

 

I Jesoa Kristy no lohan’ny Fiangonana

sady mitondra azy.

Ny Fiangonana ambara eto dia ilay ivondronan’ireo mpiara-mivavaka. Iray na maromaro amin’io Fiangonana io no entin’ny Mpitandrina iray ka antsoina hoe: Fitandremana. Ity Fitandremana ity no ambaran’ny Foto-dalana sy Fitsipika ho ambaratongan-drafitra fototra eo amin’ny FJKM. Vitan’i Jesoa Kristy ny asa fitondrana ny Fiangonany amin’ny maha Andriamanitra Azy, kanefa voninahitra atafiny amin’ny Fiangonany no izarany andraikitra amin’izy ireo, ka miteraka ny fisian’ireo tomponandrakitra mitondra ny Fiangonana. Ireo tomponandraikitra ireo no mifanongoa telo mba hahalavorary ny fitondram-piangonana. Izany no atao hoe: ambaratongam-pitondrana. Hoy ny Fitsipika And. 161: “Ny Ambaratongam-pitondrana mitondra ao amin’ny Ambaratongan-drafitra tsirairay dia ahitana ambaratonga telo (3) hatrany: Ao amin’ny FITANDREMANA

– Biraon’ny Fitandremana,

– Mpihevidraharahan’ny Fitandremana,

– Fivorian’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo.

Araka izany, vondrona olona maromaro no mitondra ny fitandremana.

  • Ny Biraon’ny Fitandremana

Toy izao ireo mandrafitra ny Biraon’ny Fitandremana araka ny fitsipika And.164: “Manana ny Biraony ny Fitandremana izay misy ireto mpikambana ireto ary tsy mihoatra ny fito: -Ny Mpitandrina izay Filohan’ny Fitandremana, -Mpitantsoratra roa (2) ka Mpitantsoratry ny fivoriana iray (1) ary Mpitantsoratry ny vola iray (1),Mpitahirivola iray (1).

Raha ity fitsipika ity no raisina ara-bakiteny dia ahitana olona fito raha be indrindra ny Biraon’ny Fitandremana ary olona efatra raha kely indrindra, satria voatanisa mazava eo ny andraikitry ny tsirairay. Raha mihoatra ny efatra noho izany ny Birao dia ny fitsipika anatin’ny fitandremana no hamaritra izay andraikitr’ireo Birao miisa telo amboniny. Ao ohatra ny manampy karazana olona hisahana ny andraikitra toy ny Filoha mpanampy, mpitantsoratra faharoa na ho amin’ny fitanana an-tsoratra ny fivoriana na ny vola, ny mpanolontsaina, sy ny hafa. Tiana anefa ny manamarika fa ny filoha dia tsy maintsy ny Mpitandrina ao amin’ilay Fitandremana, ary ny mpitahirivola dia tsy maintsy ho iray ihany. Manana ny andraikiny avy ny tsirairay ao amin’ny Birao, kanefa andraikitra mifameno.  Ohatra ny an’ny Filoha dia voatanisa ao amin’ny Fitsipika and. 166.

Amin’ny andavanandrom-piainana, raha vao miteny hoe: birao ny olona dia misy sarina latabatra ao an-tsainy. Toy izany no ho sarin’ny Biraon’ny Fitandremana: misy tongotra hilanja ary misy velarana hitombenan’ny zavatra rehetra atao eo amboniny. Noho izany, ny fandrosoan’ny Fitandremana na tsia dia tsy miankina irery amin’ny olon-tokana.

  • Ny mpihevidraharahan’ny Fitandremana.

Ny fitsipika and.178 no mamaritra ireo mpikambana ao aminy araka izao: “Ny Mpihevidraharaha ao amin’ny Fitandremana dia fitambaran’ny : Loholona sy ny Diakona rehetra, Solontena iray avy isaky ny Sampana misy ao amin’ny Fitandremana, miampy solontena iray avy koa avy amin’ny Sampanasa sy Asa miankina amin’ny Fitandremana.”

Raha loha misaina ny Biraon’ny Fitandremana dia vavony mandinika izay hampandroso ny Fiangonana ny Mpihevidraharaha. Izy ireo no mitsakotsako ny hevitra rehetra entin’ny Birao eo aminy mba ho azo hampiharina mialoha ny hanapahana ny hevitra farany. Ao amin’ity ambaratongam-pitondrana ity no tena anaovana ny adihevitra rehetra. Mifanohitra amin’izany ny resaka an-jorony sy ny adihevitra any ivelan’ny fiangonana miendrika takoritsika ambadika, ataon’ny Mpihevidraharaha tsy mahafantatra ny tena andraikiny andaniny sy ny tsy fahazakan’ny Mpitandrina na ny Birao sasany ny fanoherana na fanoloran-kevitra vaovao mihitsy rehefa iadian-kevitra ny hevitra natolotr’izy ireo ankilany. Ny fitsipika and. 186 no mamaritra ny andraikitry ny Mpihevidraharahan’ny Fitandremana. Misy lohahevitra valo izany, izay tokony ho fantatry ny mpihevidraharaha tsirairay, mba hampahomby ny fitondrana ny fiainan’ny Fitandremana. Noho izany, ny Fitandremana no tsy mandroso dia satria mihemotra na matory ny mpihevidraharaha ao aminy.

  • Ny fivorian’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo.

Araka ny fitsipika and. 188 dia izy no Ambaratongam-pitondrana ambony indrindra ao amin’ny Fitandremana.Ny fitsipika and. 189 no mamaritra ny mpikambana ao aminy araka izao: “Ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo voasoratra anarana ao amin’ilay Fitandremana no manana fahefana hanapa-kevitra ao amin’izany Fitandremana izany.” Noho izany, ny Mpandray ny fanasan’ny Tompo tsirairay dia tsy maintsy voasoratra anarana ao amin’ny Fitandremana iray. Tsy fanaraham-pitsipika raha misy voasoratra anarana any amin’ny fitandremana roa na maro izy. Koa satria efa tanteraka tao amin’ny Mpihevidraharaha ny adihevitra reehetra, hevitra efa voahevitra sy voalalina tsara no entina eo amin’ny fivorian’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo dia fandraisana fanapahan-kevitra, eny na tsia no sisa atao ao amin’ity ambaratongam-pitondrana ity.

Farany, ny hevitra rehetra tapaka dia ny rehetra no manatanteraka izany. Fa raha ny fanekena atao no iaingana dia voafaritra ho mpanatanteraka manokana ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo rehetra izay efa nanao fanekena hoe: “hanoa ny fitondrana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara, ary hanaja  ny hevitra tapaky ny mpandray.”

Hoy ny voasoratra ao amin’ny 1 Kor. 14, 12 :“Ary toy izany ihany koa ianareo: raha fatra-paniry ny zava-panahy dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra.”

RASORAMPIANGONANA