MIAINA NY PASKA

Andro lehibe manantantara eo amin’ny fiainan’ny vahoakan’Andriamanitra ny Paska. Ankalazaina sy tsarovana isan-taona izany mba ho fanehoana am-pahibemaso sy ilo miampita ho an’ny taranaka fa ANDRIAMANITRA MPAMONJY NY TOMPO, ary VAVOLOMBELON’IZANY NY OLOM-BONJENY na ny VAHOAKANY.

1- TAO AMIN’NY TESTAMENTA TALOHA

1.1. Faratampony amin’ny fanehoan’Andriamanitra ny HERINY

« Ny Paska, sy ny loza fahafolo, izay nahafaty ny lahimatoa rehetra teo Egypta (Eks.12:1)

Na dia niezaka nampiseho ny heriny aza i Farao, dia nihoatra lavitra noho izany kosa ny an’Andriamanitra ; maty ny lahimatoa rehetra tao Egypta ary anisany tamin’izany ny zanaky i Farao lahitokana ; Ny zanak’Israely kosa tetsy ankilany avotra noho ny RAn’ny Zanak’ondry tsy misy kilema.

—- Nandrodanana ny herin’ny Farao (Eks.12) —- Mosesy

—- Nandrodanana ny mandan’i Jeriko (Jos.5) —- Josoa

—- Nandrodanana ny herin’ny Sankeriba (IItan.30-32) —- Hezekia

—- Nandrodana ny fanompoana sampy (IItan.35) —- Josia

1.2. Nodidin’ny Tompo hotandremana

« Aoka hotandreman’ny Zanak’Isiraely ny Paska amin’ny fotoany. Â» (Nom. 9:2). Tandremana, tsarovana ny Paska dia ny famonjena sy fanafahana ny vahoakany. « Dia nitandrina ny Paska tany an-efitr’i Sinay izy tamin’ny harivan’ny andro fahefatra ambin’ny folo tamin’ny volana voalohany; araka izay rehetra efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy no nataon’ny Zanak’Isiraely. Â» (Nom. 9:5). « Ary Mosesy niteny tamin’ny Zanak’Isiraely mba hitandrina ny Paska. Â» (Nom. 9:4)

1.3. Mitaky fahadiovana ho an’ny olona

« Aza manatitra ny ran’ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao, raha mbola misy masirasira ao aminao; ary aza avela ho tra-maraina ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy amin’ny andro firavoravoana amin’ny Paska. Â» (Eks. 34:25). Mitaky fahadiovana feno ao anatin’ny olona ny fanatonana ny Paska. Tsy misy masirasira ao anaty noho izany dia fahadiovam-po, fahamarinana tanteraka, tsy misy fiavonavonana amin’ny hafa, tsy misy fanompoan-tsampy. « Dia vonoy ny Paska, sady hamasino ny tenanareo, ka manamboara ho an’ny rahalahinareo, hanaovana araka ny tenin’i Jehovah izay nampilazainy an’i Mosesy. Â» (2 Tant. 35:6)

1.4. Fanaterana fanatitra ho an’ny Tompo

« Ary dia vonona androtrizay avokoa ny hatao fanompoana an’i Jehovah amin’ny hitandremana ny Paska sy ny hanaterana ny fanatitra dorana eo ambonin’ny alitaran’i Jehovah araka ny tenin’i Josia mpanjaka. Â» (2 Tan.35:16). Zava-dehibe tamin’izany ny fitondrana fanatitra ho an’ny Paska. « Fa ny olona izay madio sady tsy lasan-davitra, nefa tsy mety mitandrina ny Paska, dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny, satria tsy nanatitra ny fanatitra ho an’i Jehovah tamin’ny fotoany izy; ho meloka izany olona izany. Â» (Nom. 9:13).

( Hotohizana)

(Randriamanantena Solo Jean Jacques Séraphin, Mpitandrina. Tonia SAMPATI)