Jobily volamena / RAMINOARIVONY Berjules, Mpitandrina
Notanterahana teny amin’ny FJKM Fiadanana Maritiora ny fanokafana andiany faharoa , ny Alahady 24 Septambra 2017 lasa teo ny fiderana an’ Andriamanitra noho ny :
faha-50 taona naha-Mpitandrina
an’ Andriamatoa Raminoarivony Berjules mivady .
Nitarika ny Fanompoampivavahana ny Mpitandrina Randrianarison Emmanuel . Nitondra ny Tenin’ Andriamanitra , ny Mpitandrina Rabelison Harimanitra Manasse , Président Synodal SP Antananarivo Atsimo.
« Tsy toy ny efa nahazo sahady aho na efa tanteraka sahady …niezaka hanatratra izay zavatra eo aloha , eny miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’ Andriamanitra any ambony ao amin’i Kristy Jesoa » (Fil 3.12-14) . Izany no teny faneva nosafidian’izy mivady hiatrehana izao fotoam-pankalazana izao .
Koa manasa antsika hiombom-bavaka sy hahatsiaro izany mpanompon’ Andriamanitra .
Ny Fanokafana andiany voalohany dia efa tanteraka teny amin’ny FJKM Ambohinaorina ny Sabotsy 13 Mey 2017 .
Mbola hisy fanamarihana ny Ivon‘izany fotoan-dehibe izany ny Sabotsy 14 Oktobra 2017 , eny amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana , manomboka amain’ny 9 ora maraina
Ny fotoam-pamaranana dia ao amin’ ny FJKM Ambohimamory Malala Orimbato ny Sabotsy 25 Novambra 2017, amin’ny 9ora maraina .
Koa manasa antsika hiombom-bavaka sy hahatsiaro izany mpanompon’ Andriamanitra .
Ho an’ Andriamanitra ny Voninahitra .
Ramatoa Sahondra