Hira sy sary famantarana

HAZAKAZAKA MASINA

Ny Foibe FJKM dia miantso ny zanaky ny Fiangonana FJKM rehetra izay manana fanomezam-pahasoavana amin’ny famoronana hira sy fanaovana sary mba handray anjara amin’ny Hazakazaka amin’ny famoronana hira faneva sy sary famantarana ny HAZAKAZAKA MASINA.


Toy izao ny andinindininy amin’izany :


-Ho hita taratra ao amin’ny hira faneva sy ny sary famantarana ireto:
*Jesoa Kristy
*Miorena tsara, aza miova (I Kor.15, 58)
*Vontosy Filazantsara I Madagasikara, Filazantsara manova ny tantara
*Hazakazaka Masina
-Hira faneva :
*Misy andininy roa na telo miampy fiverenana
*Vita solfa sy voarakitra anaty CD
-Sary famantarana:
*Maneho ny maha FJKM
*Azo ampiasaina avokoa ny loko litorjika
*Atao amin’ny taratasy fotsy A4

Aterina ao amin’ny Foibe FJKM trano Ifanomezantsoa Analakely varavarana 212 ny sanganasa, na alefa Paositra amin’ny “HAZAKAZAKA MASINA HIRA/ SARY” Foibe FJKM BP 623 – 101 Antananarivo,
ALOHAN’NY 01 MARTSA 2022


Fanazavana fanampiny:

034 02 7369 53