Hevero ny fifidianan’ny Tompo

PERIKOPA HAZAVAINA /JOLAY 2023

Ny Perikopa amin’ireo Alahady roa farany amin’ity volana JOLAY 2023 ity no hanolorana tari-dàlana eto ka ny lohahevitra hoe: “Hevero ny fifidianan’ny Tompo” no enti-mandinika izany


1 Tantara 28, 1- 7: I Davida dia nahatsiaro ny fifidianan’Andriamanitra azy. Fifidianana tsy mifarana eo aminy izany fa miampita ho amin’ny taranaka mandimby. Na tsy ho afa-manao ny Tempoly aza izy dia fantany fa mitohy ao amin’ny zanany ny fifidianana hanefa izany. Izany endriky ny fitohizam-pifidianana eo amin’ny zanaka mandimby izany dia endrika anehoan’Andriamanitra ny fifamatoran’ny antso amin’ny
maha zanak’Andriamanitra ihany koa. Izany hoe: Ny fifidianana dia isehoan’ny fampanantenana ataon’ny
ray (Davida ray dia tandindon’Andriamanitra Rain’izay antsoiny hanefa ny asany) sy ny fanomezan-toky ho
an’ny zanaka ( Solomona zanak’i Davida nofidian’Andriamanitra dia sarin’i Solomona zanak’Andriamanitra
hofidiana hanohy ny asa).


Ezekiela 3, 4- 14: Eto amin’ity perikopa ity no anehoan’Andriamanitra ny paikan-damina in-telo miantoana ho amin’ny fahombiazan’ny olona izay irahiny: “Ampaheriziny” ny irany eo anoloan’ny iraka
ampanaovin’Andriamanitra azy (and. 4- 9) ka “Ampiaininy” ilay olona irahiny ny hafatra asaina ampitaina
mba ho velona ao anatin’ilay nofinidiny aloha ny teny (and. 10- 11) ka rehefa izany dia “ampitoeriny amin’ny fanantenana” ny mpanompony (and. 12- 14). Izany no ho fahombiazan’ny mpanompo voafidy.


Lioka 6, 12- 16: Ny vavaka dia endrika isehoan’ny fifandraisana amin’Andriamanitra. Koa tao anatin’izany fifandraisana tanteraka tamin’Andriamanitra izany no nisian’ny fifidianana ny Apostoly (and.12) Noho izany, ny fifidianana dia mampifamatotra ny olona amin’izay nifidy azy. Fa taorian’ny alim-bavaka izay niposahan’ny maraina vaovao no fotoana nifidianana ny Apostoly (and. 13) koa azo heverina fa ny hitondra maraim-baovao ho an’izao tontolo izao ny Fifidianan’Andriamanitra Mpanompo, toy ny Apostoly.
Matio 28, 16- 20: Jesoa Kristy, izay Andriamanitra manam-pahefana no maniraka ny mpianatra ka
zary iraka misy fahefana no ao anatin’izay irahina mba hitaona olona ho mpanara-dia, izay antsoina hoe:
“mpianatra” ka hanefy azy ho “olom-baovao” (nateraky ny batisa) sy ho modelin’ny mpiara-belona aminy
noho ny fanaraha-pitsipika (dia izay nandidian’Andriamanitra azy).


Asan’ny Apostoly 1, 23- 26: Ny fifidianana izay ho dimbin’ny Jodasy na ny ho dimbin’ny Apostoly
dia ny Fiangonana ankehitriny dia nofidiana mba ho vavolombelona fa efa nandresy ny fahafatesana ny
Tompo Andriamanitsika (and. 22). Koa hamafisina ny ho fifamatorana amin’Andriamanitra mifidy (amin’ny
alalan’ny vavaka) sy izay ho fidiany (and. 23- 24). Ary izao fifidianana tanterahin’ny Apostoly izao dia
fanehoana fa tsy ho banga eo anivon’ny Fiangonana ny fifidianan’Andriamanitra mpanompo (and. 25) .


1 Tesaloniana 5, 23- 28: Andriamanitra miantso dia mitoetra ho Andriamanitra mahatoky ka
mametraka ny olona izay nofidiany amin’ny “fahamasinany” sy ny “fiarovany” ary ny “fampanantenany”
dia ny fampanantenana fiainana mandrakizay. Ary mba ho fanatanterahan’izany dia atolotra ho anjara
fanompoan’izay voantso ny hampahafantatra amin’ny hafa fa Andriamanitra dia mahatoky (and. 27)
Sarin’ny fianianana ilaina hotanterahin’ny Fiangonana izany.


Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.

RAKOTOZANANY Andrianirinomena Jules, Mpitandrina