FJKM Andavamamba Filadelfia

Alahady telo nisesy niatrika fotoan-dehibe hatrany

Fotoan-dehibe manokana tao anaty Alahady telo nisesy no natrehin’ireo kristiana ao amin’ny Fitandremana Andavamamba Filadelfia – Synodamparitany Antananarivo andrefana – ny volana oktobra sy novambra ity.

Ny Alahady 22 Oktobra 2017: Namarana ny taom-pankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-35 taona nijoroany ny Antoko Mpihira NY ANTSAN’NY FIDERANA na AFFA. Anisany nentina nanamarihina izany ho tsangambato ny famoahana rakitsary DVD andiany voalohany, izay mitondra ny lohateny hoe “ Vetso fanoloran-tena”, ahitana hira valo amin’ny ankapobeny, fa 15 kosa raha atontaly satria misy hira natambatra. Noezahina ihany koa ho lavorary ny famitana azy araka ny nambaran’ny filohany RAVELOSON Mamitiana. Miisa 50 ny mpikambana mavitrika eo anivony. Manana mpamoron-kira telo izy ary efa namoaka ny rakikira voalohany izay miampy ity farany ity.

Manana anjara toerana lehibe eo anivon’ny fiangonana ny AFFA eo amin’ny asa fanompoana samihafa.Anisany ny fitondrana anjara biriky amin’ny fanamboarana ny trano fiangonana sy ny fampitaovana azy toy ny dabilio, fanamboarana ny alitara sy ny latabatra masina, ny hazofijaliana, sns.

Miatrika ny 35 taona ho avy araka izany izy ankehitriny ary mivonona ho amin’ny asa fitoriana ny filazantsara ho amin’ny fiaraha-miombona amin’ny fanatanterahana ny Vina, dia ny famontosana filazantsara ny Nosy Madagasikara.

Ny Alahady 29 Oktobra 2017: Io kosa no andro iray lehibe natokana ho amin’ny fanompoam-pivavahana nisaorana ny Tompo noho ny fetin’ny fianakaviambe sy taranaka. Mpino kristiana niisa hatrany amin’ny Arivo mahery izay mitsinjara amin’ny fianakaviana miisa 600 no tonga nanatrika izany. Nanao ho zava-dehibe tokoa io fotoan-dehibeny io taranaka zanaky ny fiangonana ka feno hipoka ny trano. Miara-mientana sy mavitrika izy ireo amin’ny asa fampandrosoana ny fiangonana. Miandry azy ireo ihany koa ny famitana ny fanamboarana ny tranon’ny Mpitandrina RAZAFIARIVONY Charles Oréline atsangana eny Iavoloha. Trano izay natao ho tsangambaton’ny faha-25 taona naha Mpitandrina azy. Efa voatsangana ny rindrin-trano, ary eo amin’ny fanamboarana ny “dalle” ny asa izao, izay andrasana amin’ny rehetra ny fitaovana ilaina samihafa amin’izany ( simenitra, vy, fasika, vatokely,…) mba tsy ho tratran’ny fahavaratra.

Ny Alahady 05 Novambra 2017: Io no fotoana natokana nitrotroana am-bavaka  sy hanohanana ny Mpitandrina mianakavy. Tonga maro nameno ny trano fiangonana ireo kristiana ao aminy. Nasongadina tao anatin’izany ny fahavitrihan’ny Mpitandrina manatanteraka ny asa fanompoany na ao anatin’ny fiangonana na ivelany. Marihina, fa 14 taona izao no niarahan’ny fiangonana niara-niasa tamin’ny Mpitandrina, ary maro ny asa vita tao an-toerana nandritra izany.

 R.Philémon