Fivorian’ny MF 01 SL XVIII.

Antsoina ny Mpikambana ao amin’ny Mpiandraikitra Foibe rehetra , ny President Synodal rehetra, ny Tonian’ny Sampana  sy Sampanasa ary Asa eo anivon’ny Foibe FJKM ho tonga hanatrika ny Fivorian’ny MF 01 SL XVIII , izay hatao ao amin’ny CFD Ampandrana  ny 19-26 Oktobra 2016 .

Mandritra izany fivoriana izany no hanavaozana izay ho :

Sekretera Jeneraly 

-Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana ,

-Tonian’ny Sekoly ary ny

-Tonian’ny Mpiasa sy ny Vola .

Entanina isika  mba hitondra amam-bavaka isanandro izany fotoam-pivoriana izany hihariharian’ny Voninahitr’ Andriamanitra .